SamihafaSosialy
TAGNAMARO MANOKANA: Nohavaozina tanteraka ny Epp Andramasina
Nanatanteraka Tagnamaro manokana tsy toy ny fanao isaky ny sabotsy fahatelo amin'ny volana ny ekipan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO ny Sabotsy lasa teo, tao Andramasina. Fanaovazana tanteraka ny Epp tao an-toerana no nimasoan’ny ekipa rehetra tamin’izany.
Tsy nivaona amin’ny lalan-tsaina nitondrana ny hetsika hatramin’izay ny Tagnamaro manokana natao tao Andramasina, raha ny fanazavana. Fanaingana ny olom-pirenena tsy ankanavaka handray andraikitra ny tanjona nokendrena ao anatin’izany. Araka izany, nohamafisin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa toy ny Tagnamaro rehetra dia tsy misy volam-panjakana nampiasaina nentina nanaovana ny asa fa avy amin’ny fifanomezan-tanana sy ny risi-po avy amin’ny tsirairay no nanatanterahana izany.
Nosafidiana manokana ny EPP Andramasina nanaovana ny asa fanatsarana. Ity sekoly ity izay tsy nisy fanamboarana nandritra ny taona maro. Araka izany, niaraha-nisalahy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa nila fanarenana, toy ny fandokoana efitrano fianarana sy ny fefy ary ny vavahady, ny fametrahana valin-drihana, ny fanamboarana dalage, ny fanamboarana ny tafo, ny fanavaozana ny toeram-pisakafoan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanamboarana latabatra sy seza hisakafoana, fambolena voankazo fihinam-boa…
« Izay tsy mahakolokolo toy ny tsy manana ihany »
Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera, nohatevenin’ireo mpampianatra, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny fokonolona teo an-tanàna sy ireo manam-pahefana teo an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanàna. « Izay tsy mahakolokolo toy ny tsy manana ihany » hoy Ramatoa Minisitra teo am-pamaranana ny hetsika. Nanentana ny olona teo an-toerana, araka izany, ny tenany hikolokolo ny fananana iombonana izay niaraha-nanamboatra. Izany rahateo no isan’ny lalan-tsaina ampitain’ny hetsika Tagnamaro. Marihana fa hetsika Tagnamaro manokana ity tsy toy ny fanao isaky ny sabotsy fahatelo amin’ny volana ity notanterahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa rehetra.




