KolontsainaSongadim-baovao
TAGNAMARO : Tontosa ny asa fanajariana ny « Rond-Point » Ambohimangakely
Anisan’ireo nahazo vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana noho ny Hetsika Tagnamaro natao ny etsy amin’ny Kaominina Ambohimangakely ankehitriny. Tontosa ny zoma lasa teo tokoa mantsy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny « Rond-Point » vaovao eny an-toerana, izay fidirana ny renivohitra raha avy any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Ny volana Desambra taona 2019, tamin’ny alalan’ny Hetsika « Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena « , no nanombohan’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny fanajariana ny « Rond-Point » etsy Ambohimangakely. Ity farany izay fiantsonan’ireo fiara vaventy teny Ambohimangakely nandritra ny taona maro ary fanaovan’ny olona maloto ihany koa vokatry ny tsy fisian’ny fikolokoloana. Nandritra io Tagnamaro natao io no nanadiovan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera io toerana io, nambolena ihany koa ny bozaka sy ireo karazan-kazo samihafa, ary nametrahana ny fefy vonjimaika hiarovana izany toerana izany.
Araka izany, taorian’ny asa rehetra natao, natolotra ofisialy ho an’ny Kaominina Ambohimangakely, ny zoma 14 Mey lasa teo ny Rond-point vita fanatsarana tanteraka izay hanome endrika vaovao ny tanàna indray. Nanotrona izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nahavitana izao fotodrafitrasa izao, ahitana ny Vondrona Filatex, ary ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely.
Fiarahamiasa tamin’ny tsy miankina
Tsara ho fantatra fa tsy nihanona fotsiny tamin’ny fikojakojana ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, fa nitady ihany koa ny fomba rehetra ahafahana manatsara tanteraka io toerana izay isany vavahady fidirana an’Antananarivo, raha avy any amin’ny lalam-pirenena faharoa iny. Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina no napetraka, ka samy handray ny anjarany amin’ny fanatsarana ireo « ilot » tsirairay, ny orinasa namaly ny tolotry ny Minisitera. Isan’ireo nahavita ny anjarany tamin’ny fanatsarana sy ny fikojakojana ny « ilot central » niandraiketany ny Vondrona Filatex. Niova endrika tanteraka ary kanto ny fotodrafitrasa napetraka. Ahitana lampadaire solaire miisa 5, puits à pompe manuelle, tetezana ary ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
« Tafita ny lalan-tsaina hifotoran’ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, manoloana izao zava-bita goavana izao. Anjara andraikitry ny Kaominina Ambohimangakely sy ny mponina ao aminy kosa no mikolokolo ity fananana iombonana ity.




