
PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TAHIRIM-BOLA IRAISAMPIRENENA : Neken’ny filankevi-pitantanana ny fahazoantsika 312,4 tapitrisa dolara
Mitohy fatokisan’ireo mpamatsy vola iraisampirenena an’ny Fitondram-panjakana malagasy. Ny Alatsinainy teo, namoaka fanambarana ny filankevi-pitantanan’ny tahirim-bola iraisampirenena (FMI) izay milaza ny fanomezana famatsiam-bola maherin’ny 300 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara. Ity farany izay natao indrindra hanampiana tosika ny fanarenana ara-toekarena, sy hanamafisana ny fiatrehana ny mety ho fiantraikan’ny valanaretina Covid-19.
Mitentina 312, 4 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara, nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny tahirim-bola iraisampirenena (FMI), izay nampahafantarina tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao, ny alatsinainy teo. Famatsiam-bola izay tafiditra ao anatin’ny fampindramam-bola malalaka, nohamoraina (FEC). Ity fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanana ity dia manome alalana ny hamoahana avy hatrany ny andiany voalohany amin’ny famatsiam-bola izay mitentina 69, 4 tapitrisa dolara ho tohin’ny fanampiana anaty hamehana, nomen’ny FMI an’i Madagasikara ny volana Aprily 2020, izay nitentina 165, 99 tapitrisa dolara, sy tamin’ny volana jolay 2020, nitentina 171, 9 tapitrisa dolara. Hentina hanohanana ireo fandaharanasa hanavaozana ny toekarena, ka hifantoka indrindra amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika ity fampindramam-bola ity. Eo koa ny fanohanana ny fampandrosoana, ary fampihenana ny fahantrana.
Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly lefitry ny FMI, dia nahitana fivoarany tsara ny ezaky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanaovana mangaraharaha ny fitantanana amin’ny Covid-19. Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ny vaovao momba ny fandaniana natao. Ankoatra izay anefa, nanaiky ihany koa ny Mpitondra fa hanamafy ny ady amin’ny kolikoly, hanatsara ny fitantanana ara-bola, hampiroborobo sy hanatsarana ny tontolon’ny fitantanam-bola mba hahafahana misarika ireo mpampiasa vola. Ireny rehetra ireny no anisany teboka tsara nananantsika teo anatrehan’ny FMI ka nahatonga ny fivoahan’ireo vola ireo.
Paikadin’ny Fanjakana malagasy
Araka ny fanambaran’ny FMI hatrany, tokony hanampy amin’ny fanohanana ara-bola, na eo amin’ny samy firenena, na firenena maromaro ny famoahana ny FEC tahaka izao. Notsindrian’ny teo anivon’ny FMI, noho izany, fa hifantoka amin’ny fanarenana indray ny toekarena sy ny fanarenana ara-drafitra mba hisian’ny fampandrosoana ity tohana ara-bola ity. Nambarany koa fa tafiditra ao anatin’ny Paikadin’ny Fanjakana malagasy ny famahana ny olana mifandraika amin’ny trosa eo amin’ny sehatry ny solika sy ny fanatanterahana ny drafi-panarenana ny orinasa Jirama, miaraka amin’ny banky iraisampirenena, ka antony naharesy lahatra ny mpamatsy vola amin’ity andiany ity. Etsy ankilany, nanambara ihany koa ny Fanjakana malagasy, araka ny fambaran’ny FMI hatrany, fa hampihatra bebe kokoa ny mangarahara amin’ny fitantanana ny ady amin’ny Coronavirus. Tsiahivina fa efa nisy ny resaka nataon’ny FMI tany amin’ny faran’ny volana febroary farany teo, izay nilazany fa nisy ny fihoaram-pefy tamin’ny fampiasam-bola teto Madagasikara tamin’ny 2020, isan’izany ny fanomezana vola be loatra ny orinasa Jirama izay tafiakatra hatrany amin’ny 845 miliara ariary, raha toa ka 150 miliara ariary no voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2020.




