Songadim-baovaoToekarena
TAHIRIM-BOLAMENA AO AMIN’NY BANKY FOIBE: Volamena 177Kg voaangona tao anatin’ny iray volana
Ny tsy fisian’ny famerenana ireo vola vahiny vokatry ny fanondranana ny harem-pirenena, toy ny volamena, no anisany mampihen-danja ny sandan’ny ariary. Paikady napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny, noho izany, famerenana indray ny tahirim-bolamena eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Hatreto, mahatratra 177Kg ny volamena efa voatahiry, avy tamin’ireo mpandraharaha voafantina hiara-hiasa amin’ny Banky Foiben’I Madagasikara.
“Tambazotra goavana hatrany ampitan-dranomasina no manao ny fanondranana an-tsokosoko eto amintsika”, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, raha nitondra fanazavana ny faran’ny herinandro teo. Efa mandray andraikitra amin’izany ny Fitondram-panjakana, hoy izy, ka nampiatoana ny fanondranana volamena nanomboka ny oktobra 2020 teo. Amin’izao fotoana, misy ny fanadiovana ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ity seha-pihariana volamena ity. Isan’izany ny fametrahana ny tahirim-bolamena izay efa Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika rahateo. “Nandritra ny 61 taona niverenan’ny fahaleovantena, ity fitondrana ity ny nahavita namerina izany indray”, hoy ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra. Araka izany, misy ny fiarahamiasa eo amin’ny Minisitera misahana ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), nanomboka Janoary 2020. Araka ny fanazavana, ny BFM no hividy ny volamena ho ao amin’ny tahirim-bolamena. Nambarany fa ny 15 desambra 2020 teo no nanomboka ny fividianana ny volamena. Ka araka ny nambaran’ny Minisitra ny 15 Janoary teo, mahatratra 177kg ny tahirim-bolamena ao amin’ny BFM amin’izao fotoana izao. Notsiandriany fa mizotra araka ny tokony ho izy izany satria mavitrika ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny BFM amin’ny fivarotana ny entana ao aminy. “Tsy misy hoe vidiny ambany, mazava ny fandoavam-bola, ary afa-po ireo mpandraharaha eto an-toerana”, hoy ny fanazavany. Tsara marihana fa miisa 14 hatreto ireo mpandraharaha voafantina hiara-hiasa amin’ny BFM ankehitriny.
Olona 500 000 misehatra mivantana
Nanazava ny Minisitra tomponandraikitra fa tsy naato tanteraka akory ny fanondranana ny volamena avy eto amintsika. Afaka mandraharaha sy manondrana ny rehetra, hoy izy, fa tokony hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna kosa. Raha ho an’ny seha-pihariana volamena manokana, betsaka ireo mpisehatra voakasika, manomboka amin’ny mpitrandraka any ifotony, ny mpividy sy mpivarotra ny volamena, ary mpanondrana. Nilaza ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra fa vatan-dehilahy manodidina ny 500 000 no misehatra mivantana amin’ny fitrandrahana volamena eto amintsika. Ary Malagasy manodidina ny 2 tapitrisa no mivelona amin’ny fitrandrahana volamena. Araka izany, miezaka manaramaso tanteraka io lalan’ny volamena io ny Fanjakana ankehitriny. “Iza no mivarotra aiza dia mankaiza ny vola?”. Ho enjehina hatramin’ny farany, noho izany, ireo tsy namerina vola vahiny eto an-tanindrazana. Araka ny tarehimarika, taona 2017, tafiakatra 111 miliara ariary no tombam-bidin’ireo volamena naondrana tokony namerenana vola vahiny teto amintsika. Ny tafaverina anefa, 402 tapitrisa ariary. Izany hoe, 0,36% ihany no tafaverina. Ho an’ny 2020, 394 miliara ariary no lasa any ivelany, kanefa 6, 700 miliara ariary no tafaverina , izany hoe ny 1,71% ihany.
Mpividy volamena eo Analakely
Araka izany, miroso tanteraka amin’ny fampanarahan-dalàna sy ny fanadiovana ity seha-pihariana ity ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Handeha, noho izany, ny fitoriana ireo tsy namerina vola vahiny teto an-tanindrazana, ary hisy ny sazy mifandraika amin’izany . Mahakasika ireo mpividy volamena eo Analakely, tokony hananana taratasy hahafahana manao izany izy ireo, hoy ny Minisitra. Tsy mbola manatona ny minisitera anefa izy ireo hatramin’izao. Efa nisy ny fifanatonana teo amin’ny Agence Nationale de l’Or (ANOR), izay miandraikitra ny fampidirana azy ireny amin’ny sehatry ny ara-dalàna, sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra, mahakasika ireo mpividy volamena eo Analakely. Miroso miandalana araka izany ny fikaroham-bahaolana. Niaiky kosa anefa ny Minisitra tomponandraikitra fa mahavidy volamena izy ireo ary mahavita ny fivelomany, saingy kosa mila atao ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna.




