Songadim-baovaoSosialy

TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA « GAMANE » : Feno ny fepetra hanambarana ny « fahavoazam-pirenena »

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fahafenoin’ny fepetra hanambarana ny “Fahavoazam-pirenena” na “Sinistre National” eto amin’ny firenena. Firenena maro no voalaza fa efa naneho fahavononana hanolo-tanana hanampy an’i Madagasikara.

Tao amin’ny fiantombohan’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nodinihina manokana ny mikasika ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane tamin’ny faritra maro tany avaratry ny Nosy ary samy nanao ny tatitra tandrify azy ny minisitra. Raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC dia efa mahatratra 89.465 ny isan’ireo traboina. Maro be ireo fotodrafitrasam-panjakana simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny sekoly sy ny tranom-panjakana isan-karazany. An-jatona hektara maro koa ny tanimbary tototry ny rano. Feno araka izany ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena (sinistre national) ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izany. Efa maro koa moa ireo firenena izay manolotanana hanampy an’i Madagasikara hiatrika izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana amintsika izao.

Ezaka fanarenana

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fandraisana fepetra maika hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN5A sy ny RN6 taorian’ny rivodoza Gamane. Ho an’ny Tetezana Mahavavy (RN6 : PK 567+933) manokana, vahaolana vonjy maika ny tsy maintsy hanotofana haingana amin’ny alalan’ny fampiasana vato. Hanomboka amin’ny zoma 05 Avrily 2024 izao ny asa, aorian’ny fanetsehana ny famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny banky BEI. Etsy ankilany, vahaolana maharitra : tsy maintsy hisy ny fananganana tetezana vaovao izay hifampiraharahana amin’ny BEI ihany koa ny famatsiam-bola ny asa.

Toy izany koa ny Tetezana Ifasy II (RN6 : PK 537+327) izay lasan’ny rano mihitsy ny ampahany amin’ny tetezana. Goavana ny fahavoazana. Noho izany dia tsy maintsy fametrahana “BAC” mahazaka vesatra 15 taonina no vahaolana maika indrindra, ary hanomboka ny Alakamisy 04 Avrily 2024 ny asa. Vahaolana maharitra kosa ny fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI koa ny famatsiam-bola ny asa.

Ho an’ny tetikasa Ifasy I (RN6 : PK 537 + 109 ), vahaolana vonjimaika ny fametrahana « passage à gué » manomboka ny 04 Avrily 2024 izay asa hataon’ny orinasa COLAS ary famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny BEI. Vahaolana maharitra kosa ny fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI ko any famatsiam-bola ny asa.

Ho an’ny Tetezana Manankolana RNS5A (PK 99+000), tetezana Tenanimadiro (PK 67+700), tetezana Manambery (PK 537+327) indray, efa nanaiky handray an-tanana ny fanamboarana ny tetezana ny orinasa CRBC ary hanao fanotofana ny tany manodidina ireo tetezana (remblayage d’accès) mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Efa nanomboka ny 31 Marsa 2024 ny asa, eo amin’ny tetezana Manankolana. Marihina moa fa nisy ezaka manokana nataon’ny Minisitera izay efa nampiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana, sy Vohémar sy Sambava amin’izao fotoana izao.

Fermer