PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TAKAITRAN’NY RIVODOZA – AMBATO BOENY: Tokantrano miisa 2 570 hisitraka lelavola 120 000Ar
Anisan'ireo nitondra takaitra taorian'ny fandalovan'ny rivodoza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny Distrikan'Ambato Boeny. Araka ny efa nambarany nandritra ny diany tao Marovoay ny herinandro lasa teo, dia tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 11 febroary 2023 teo.
Dibo-drano avokoa ny ankamaroan’ny tanimbary tany Ambato Boeny taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza Cheneso. Tsy nataon’ny Filoham-pirenena ambanin-javatra anefa ny zava-misy any an-toerana, ka nisy ny fitsidihana nataony sy ny delegasiona notarihiny. Nitondrana masomboly, araka izany, ireo tantsaha entina hanarenana ny vokatra izay rava teo. Ankoatra izay dia notolorana fanampiana manokana ihany koa ireo fikambanam-behivavy miisa 56 tao Ambato Boeny sy ireo olona marefo toy ny beantitra sy ny vehivavy bevohoka. Ho fanatsarana ny fiasan’izy ireo sy mba hahafahan’izy ireo manakaiky bebe kokoa ny vahoaka dia notolorana moto ihany koa ireo ben’ny tanàna mandrafitra ny distrikan’Ambato Boeny.
Nambaran’ny Filoha ihany koa fa tokantrano 2570 no hisitraka lelavola 120.000ar izay iarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka. Efa miantrana ao Ambato Boeny koa moa ny clinique mobile izay manome fitsaboana sy fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ireo rehetra izay mila izany.
Namaly avy hatrany ny fangatahan’ny mponina ihany koa ny Filoha mikasika ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ka handefa miaramila maro hampandry fahalemana iny faritra iny. Ny biraon’ny kaomisaria ao an-toerana rahateo efa an-dalam-pahavitana ka homena fampitaovana ihany koa ireo polisy hahafahan’izy ireo hanatanteraka ny asany.
Fitsidihana an’i Mahajanga
Taorian’ny distrikan’Ambato Boeny dia tao Mahajanga ny nanohizan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hetsika sosialy entina hanampiana ireo tokantrano traboina sy sahirana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teo. Ho fitsinjovana azy ireo dia notolorana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary sy menaka ary savony izy ireo. Ireo tantsaha kosa notolorana masomboly.
Ankoatra ireo dia voapetraka sy am-perinasa eny an-toerana ankehitriny ny “caravane médicale” izay hahafahan’ireo vahoaka mitsitraka fitsaboana maimaimpoana. Maro ireo sampandraharaha hita ao anatin’izany “caravane sanitaire” izany toy ny échographie, ny radiologie, ny fitialiana ny diabeta ary hapetraka ao ihany koa ny sampandraharaha hafa toy ny fitiliana ny omamiadanan’ny nono ary ny fanaovana solonify. Tsy hijanona ao Mahajanga ihany fa hapetraka manerana an’i Madagasikara ity caravane médicale ity izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Fitia tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina.
Tsy diso anjara ihany koa ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny Faritra Boeny fa notolorana “moto” Yamaha araka ny nampanantenaina azy ireo mba hahafahany mifanerasera sy mikarakara ireo vahoaka eny ifotony. Nisy ihany koa fanolorana ireo onduleurs » mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy « ordinateurs » mba hitovizan’izy ireo amin’ireo Kaominina hafa satria manana anjara toerana lehibe ny kaominina amin’ny fampandrosoana ifotony tiana hapetraka isaky ny faritra hoy ny Filoha Andry Rajoelina ary indrindra mba tsy hisian’ny faritra ho adino intsony manerana an’i Madagasikara.
Afaka volana vitsy dia ho vita tanteraka ny gymnase lehibe sady manaraka ny fenitra ao Mahajanga. Sady ho fampandrosoana ny fanatanjahan-tena ho an’ny tanora izany no ilaina handraisana ireo traboina amin’ny fotoan-tsarotra toy izao. Nasiam-panavaozana araka ny fangatahan’ny vahoaka any an-toerana ihany koa ny terrain synthétique raha toa ka nisy fahasimbana izany teo aloha.



