PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TAMBAJOTRA MPANGALA-TANY AO ANTSIRABE : Olona 16 miampy olom-boafidy teo aloha iray arahimaso ara-pitsarana

Nanokatra fanadihadiana ny Birao mahaleotana iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco) taorian’ny faharaisana fitorohana mahakasikana kolikoly sy fanaparam-pahefana ary fanaovana tsindry nahavoasaringotra Ben’ny tanànan’Antsirabe teo aloha sy ny mpiara-miasa aminy. Araka ny fanadihadiana dia nandritra ny fizarana ireo tanim-panjakana tao Ambohimanarivo Antsirabe tamin’ny 2018 no nitrangan’ny raharaha.

Raha ny fanazavana, nanapa-kevitra ny Kaominina Antsirabe ny haka ireo tanim-panjakana izay nisy nampiasa, mba hanamboarana  hopitaly misahana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, izay novatsian’ny Fanjakana marokanina vola. Araka izany, nisy ny kaomisiona, natsoina hoe « commission tany », izay nahitana solontenan’ny kaominina sy ny tantsaha, izay natsangan’ny Ben’ny tanàna tamin’ izany fotoana. Io kaomisiona io no nisahana ny fijerena ireo ampahantany ilaina amin’ny tetikasa, ary ny fitsinjarana ireo tany ambiny.

Taorian’ny fahazoana ny tany hananganana ilay hopitaly anefa dia fantatra fa nisy ampahany betsaka tamin’ireo tany ambiny no namidin’ilay kaomisiona tamina olona tsy mahafeno ny fepetra tokony hisitraka izany akory. Ny fanadihadiana no nahalalana fa saika ireo mpikamban’ny kaomisiona na ireo akaiky azy ireo no nahazo ireo ambin-tany ireo. Vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny tomponandraikitra misahana ny lafiny lalàna eo anivon’ny Kaominina, ity tambazotra ity dia nahavita nampiasa anarana sandoka mba hikarakara ireo taratasim-panjakana sy hahazoana titra any amin’ny fananantany. Ireo tena tompon’anarana sandohana anefa dia tsy mahalala akory ny fampiasana ny anaran’izy ireo hahazoana ny tany.

Betsaka ireo voasaringotra amin’ity raharaha ity. Anisan’izany ny Ben’ny tanànan’Antsirabe teo aloha, ireo mpikamban’ny “Commission tany”, ireo “chefs de la circonscription domaniale et foncière d’Antsirabe” miisa roa. Taorian’ny fiakaran’izy ireo teo anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac) ny 06 febroary teo, olona 17 no arahi-maso ara-pitsarana, raha toa ka nohafahana vonjimaika ireo voarohirohy miisa efatra, miandry ny fitsarana azy ireo. Tsiahivina fa vesatra iampangana azy ireo ny fanararaotam-pahefana, fanaovana tsindry, ary fanaovana kolikoly.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer