Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TAMBAZOTRA MPANAMPOKA SOLIKA AO TOAMASINA: Olona 24 voasambotra ary natolotra ny Fitsarana
Nalaza indray tato ho ato ity fanapohana sy famokarana solika tao Toamasina ity. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimariam-pirenena taorian’ny fitarainana nataon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, dia olona maherin’ny 20 no voasambotra sy natolotra ny fampanoavana, omaly…
Tambazotra iray ahitana olona 24 no ravan’ny Zandarimariam-pirenena, vokatry ny raharaha fanodinana sy famokarana solika voatapoka, tao Toamasina. Ny 09 tamin’ireo no mpampiasa na “patron”, izay fantatra fa mivelona tanteraka amin’io fanapohana solika io mihitsy. Ny ambiny mpiasa avokoa, ka isan’izany ny mpibatabata, mpanapoka, mpitatitra sy mpamily, sy ny sisa. Solitany na “pétrole” no entin’izy ireo hanapohana solika io, ary asiana “acide sulférique” izany, mba hampanjavona ny lokon’ny solitany. Manoloana ny fitarainana nataon’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo teo anivon’ny Minisitera delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, dia nidina nanao fanadihadiana mikasika ity tranga ity ny teo anivon’ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana. Herinandro monja, izany hoe nanomboka ny 10 ka hatramin’ny 18 oktobra lasa teo no nahasamborana ireo olona miisa 24, sy nakarina teto Antananarivo nanaovana famotorana. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.
Solika an’aliny litatra sy fitaovana maro
Tamin’io fidinana ifotony nanatanterahana fanadihadiana tao Toamasina io, dia nisy ny fisavana toerana maromaro, miisa 10 teo, raha ny fanazavana. Tamin’izany no nahatrarana solika mitapoka an’aliny litatra, ka gazoala 7 950 litatra, ary lasantsy 11 410 litatra. Ankoatr’ireo, sarona ihany koa ny fitaovana maro, toy ny fiara 04 sy kodiaran-droa 05, ary fitaovana “pompe” 08 sy kamiao “citerne” 04. Raha ny fomba fiasan’izy ireo, dia mividy solika eny amin’ny “station” dia tapohina, na miara-miasa amin’ireo mpamily kamiao “citerne”, ary ahiditra amina toerana mangina ny fiarabe hangalana solika hotapohina, ary haverina ao ihany amin’ny fatra nangalana azy, rehefa voatapoka. Ireo solika sy fitaovana maro izay efa samy nogejaina avokoa, raha ny fanazavana. Amin’iny faritra Avaratr’i Toamasina iny no hamarotan’ireo olon-dratsy ny solika efa tsy izy intsony io, dia ao Mananara, Maroantsetra, ary Fenoarivo Atsinanana. Ny teo anivon’ny Sampana fikarohana heloka bevava sy ny Ofisy Malagasy momba ny Akoran’afo (OMH) no niara-niasalahy tamin’ny fanadihadiana, ka nahazoana izao vokatra izao. Ny OMH, izay sampana iray manara-maso sy mandrindra momba ny solika eto Madagasikara, ary manenjika ny tranga fanodinana sy fanovana solika amin’ny fomba samihafa tahaka izao. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny OMH, fa mirongatra tato ho ato ity asa ratsy ity, kanefa, voasazin’ny lalàna tanteraka. Ankoatra izay, ny fikirakirana sy ny fampiasana solika tsy manara-penitra toy izao dia mampidi-doza, satria misalovana ny fiarovana ny fananan’ny hafa, no mety hitarika fahasimbana sy fandaniana mihoa-pampana eo amin’ny fiara. Ankoatra izay, loza mitatao ho an’ny toekarena sy ny sehatry ny fandraharahana ara-tsolika manontolo ny toy izao. Manentana ny rehetra ny tompon’andraikitra, mba tsy hanjifa solika afa-tsy eny amin’ny mpaninjara solika ara-dalàna manana fankatoavana, ary ho sahy mitoroka amin’ny asan-jiolahy tahaka izao. Mitohy ny fanadihadiana mikasika ity fanapohana solika any Toamasina ity.
Stan R.




