PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TAMBAZOTRA MPANGALA-TANY: Olona enina naiditra am-ponja ao Antanimora

Niainga tamina fitoriana nataona olona tsy nitonona anarana no nahitana trangana fanodinkodinana tany tsy ara-dalàna izay efa mana-tompo. Ny teo anivon ‘ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly no nanao ny fanadihadiana ka nahatrarana tambazotra iray mpangalatra tany. Ity farany izay nahitana “Conservateur de la propriété foncière” teo aloha sy ny mpiara-miasa aminy, lehibena boriborintany iray, mpiasan’ny fananantany ary mpijirika izay nisandoka anarana.
Nanomboka tany amin’ny taona 2021 ity raharaha ity, araka ny loharanom-baovao, rehefa voasoratra tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tamin’io mpijirika io ny tany ao amin’ny Fokontany Mandrosoa, Kaominina Ankadikely Ilafy. Tamin’ity taona ity dia namidin’io olona voalaza io 1 miliara ariary ny tany, ary teo vao nahafantatra ny zava-nisy ny tena tompon’ny tany.
Fomba fanao
Ny fomba fiasan’izy ireo dia ny fijerena toerana be mpitady amina faritra « résidentiel » mba hahafahana mampitombo ny sandan’ny tany. Eo indrindra no miditra an-tsehatra ilay tomponandraikitra misahana ny tahirin-kevitra eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany Antananarivo Avaradrano, mijery ny mombamomba ilay tany. Mihetsika amin’izay ilay « conservateur de la propriété foncière » avy eo, manolo-kevitra an’ilay mpijirika izay misandoka anarana, mahakasika ny pitsopitsony rehetra arahina mba anoratana ilay tany amin’ny anarany amin’ny alalan’ny taratasin-tany hosoka. Rehefa mahomby izay dingana rehetra izay, dia miroso amin’ny fanaovana fifanarahana ara-barotra hosoka ireo mpiray tsikombakomba ary eo no maha tafiditra an’ilay Lehibena boriborintany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano.
Amin’ny alalan’ireo antontan-taratasy hosoka rehetra ireo no hikarakaran’ilay voalaza fa nahazo ny tany ny « mutation » ka hanovana ny anarana rehetra momba ny tany amin’ny anaran’izy ireo. Araka izany, ireo mpiasan’ny sampandraharahan’ny fananantany dia mikirakira ny antontan-taratasy izay efa fantatr’izy ireo tsara fa tsy ara-dalàna. Ny tanjona dia ny hahazoana ilay tany kendrena, mba hahazoana tombony. Ary izay azo amin’izany dia ifampizaran’ireo ao anatin’ny tambazotra. Ny fanadihadiana nataon’ny Bianco no nahalalana fa efa tafatsoaka any ivelany ny “inspecteur de domaine” voasaringotra tamin’ity raharaha ity, izay efa tafiditra tamina raharaha hala-tany hafa koa tamin’ny 2016.
Ny alatsinainy teo no niakatra teo anoloan’ny Fampanoavan’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) eto Antananarivo ireo olona enina voarohirohy ireo. Vesatra anenjehana azy ireo ny fanamparam-pahefana, fanodinkodinana tany mana-tompo, fanaovana hosoka, fampiasana fahefam-panjakana hanaovana tsindry ary kolikoly. Taorian’ny fihainoana azy ireo dia samy naiditra vonjimaika eny Antanimora avokoa izy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer