Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

TAMBAZOTRA MPIVAROTRA SOKATRA AN-TSOKOSOKO: Olona 10 voasambotra sy nampidirina am-ponja tao anatin’ny iray volana

Tato anatin’ny iray volana, olona 10 izay samy ao anatin’ny tambazotra mpivarotra sokatra no tra-tehaky ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Isan’ireo atidoha mikotrika ny fitrandrahana sokatra eto Madagasikara izy ireo. Efa natolotra ny fitsarana ary samy nampidirina am-ponja avokoa.

Tsy mbola foana hatreto ny trangana fitrandrahana sy fivarotana an-tsokosoko sokatra. Ny sokatra izay biby ahiana efa ho lany tamingana sy tsy fahita raha tsy eto Madagasikara irery ihany ny ankamaroany. Noho ny fiarovana azy ireo dia raran’ny fifanarahana iraisam-pirenena CITES sy ny didy aman-dalàna eto amin’ny firenena ny fanangonana, ny fivarotana, ny fitaterana ary ny fanondranana ny sokatra.
Tamin’ny herinandro lasa teo anefa, nampahafantatra ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) fa tovolahy iray indray no tratran’izy ireo nanao fandikan-dalàna, nanangona sy nivarotra sokatra an-tsokosoko. Tato anatin’ny iray volana, araka izany, olona 10 izay samy ao anatin’ny tambazotrana mpivarotra sokatra no tra-tehaky ny Ministera. Isan’ireo atidoha mikotrika ny fitrandrahana sokatra eto Madagasikara izy ireo. Efa natolotra ny fitsarana ary samy nampidirina am-ponja avokoa.

Faritra mbola ahitana betsaka sokatra eto Madagasikara moa ny any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Miainga amin’ireo tranga fahita tato ho ato ireo, noho izany, heverina ho “mbola mitohy ny fanangonana sokatra any Atsimo sy ny fivarotana izany izay raran’ny lalàna tanteraka”, hoy hatrany ny fampahafantarana. Sehatra hanaovan’ireo olon-dratsy ny fifanakalozana sy ny serasera ny eny amin’ny tambazotran-tserasera. Fantatra fa efa manana paikady manokana ireo mpivarotra izany eny amin’ny tambazotran-tserasera, hoy ny tompon’andraikitra. Mody mivarotra amin’ny antsinjarany ary milaza fa noho ny antony manokana dia tsy maintsy amidy ny sokatra notezaina efa ela. Ao ambadik’izany anefa dia efa mpisehatra ao anatina tambazotra mpivarotra sy mpanondrana goavana izy ireo. Misy ihany koa ny mpamatsy.
Manoloana ny tranga toy izany, mitohy hatrany ny hazalambo sy ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena ireo. Isan’ny vokatra azo tao anatin’izany io fanatrarana tovolahy tamin’ny herinandro ambony io.

Sarobidy Sidonie.

Fermer