Kolontsaina
« TANA DESING WEEK » Hampamiratra ny harena ara-kolontsain’Antananarivo anaty andro maromaro
Manana ny lazany, tantarany sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny vohitr’Antananarivo, izay nantsoina fahizay hoe « Analamanga ». Miavaka amin’ireo foko 22 ambiny izy, amin’izay kolontsaina ananany izay, ary hasongadina manokana mandritra ny hetsika « Tanà desing week » tanterahina anatin’ny andro maromaro etsy amin’ny Gara Soarano, ny 11 ka hatramin’ny 19 marsa 2022 ho avy izao. Hiaraha-miasa amin’ireo manan-talenta amin’ny sary sy ny kolontsaina, ny hetsika, raha ny fantatra. Ankoatra ny adihevitra miompana amina lohahevitra samihafa, hisongadina manokana anatin’ny fampirantiana mandritra io fotoana io ny maha zava-dehibe ny niandohan’Antananarivo, izay haravona anaty lohahevitra hoe « Indray andro hono… zava-manga arivo ». Anisany hisongadina ao anatin’izany, ohatra, ny famantarana ny tantaran’ny vohitr’Antananarivo tany aloha, toy ny maha Analamanga an’Analamanga izay midika ho ala sarobidy sy masina nanomboka tany amin’ny taona nanjakan’Andrianjaka sy nanorenany ny lapa ao Manjakamiadana, ary ny lapan’i Besakana tamin’ny alalan’ireo vatan-dehilahy miisa 1000 tamin’izany fotoana, ka nanomezana ny anarana Antananarivo, tamin’izany fotoana. Araka izany, hetsika hanehoana indray ny harena ara-kolontsaina mampiavaka an’Analamanga io fotoana io, miaraka amin’ireo finiavana nisy tamin’izany ka hatramin’izao, izay navoitran’i Domi Sanji, mpamorona sady mpikarakara ny hetsika. Nambaran’ity farany nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, fa « azo atao tsara ny mampiditra ny kolontsaina nentim-paharazana tany aloha mba ho tafiditra amin’ny vanim-potoana ankehitriny, amin’ny alalan’ny « digitalisation ». Ankoatra izany, fantatra fa hahafahan’ireo mpanao asa tanana miroso mankamin’ny tsara kokoa, ny atao hoe « design ». Manoloana ny firoboroboan’ny fanatontoloana izay efa mibosesika eto Antananarivo, dia matetika ratsy eo imason’ny sasany ny vokatra Malagasy. Manoloana izany indrindra no nanaovan’ny mpikarakara ity hetsika iray ity, izay namporisihana indrindra ireo mpanao asa tanana handray anjara anatin’izany, mba hampanan-danja ny asa tanan’izy ireo, ary ho anisany sangany manoloana ny fifaninanana amin’ny alalan’ny zava-misy ankehitriny.




