Songadim-baovaoSosialy

TANÀNAN’ANTANANARIVO: Miravaka jiro maroloko, miaina anatin’ny volon’andro fety tanteraka

Efa tafiditra tanteraka anatin’ny vanin’andro fety isika. Misy ireo jiro maroloko mandravaka ny tanàna eto Antananarivo. Efa saika manomana ny andron’ny noely ihany koa ny fiangonana sy ny isan-tokantrano, ary manajanona ny adihevitra politika tsy mahatonga fitoniana.

Ho fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona, dia misokatra ary azon’ny rehetra tsidihina ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra izay noravahana ireo Jiro marolokon’ny Krismasy. Azo atao ny mitsidika eny an-toerana isan’andro manomboka amin’ny 5ora hariva ka hatramin’ny 10ora alina, manomboka ny 22 desambra 2023 ka hatramin’ny 07 janoary 2024. “Krismasy handresen’ny fitiavana” moa no lohahevitra navoakan’ny teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ity fetin’ny noely ity.   

Etsy ankilany, zaridaina maro eto Antananarivo no nametrahana jiro ho haingo amin’izao ankatoky ny fety izao. Tafiditra ao anatin’izany ny eny Antanimena, Ankorondrano, Analakely, Ambohimangakely sy ny sisa.

Manomana ny olona, vonona ny Mpitandro filaminana

Tamin’ireo olona nanaovanay fanadihadiana dia efa saika mitodika mankany amin’ny fanomanana ny fety avokoa ny fiainana andavanandro. Misy ireo miantsena manokana ny akanjo hanaovana amin’ny andron’ny noely any am-piangonana. Ireo eny anivon’ny Minisitera sy orinasa samihafa koa, etsy andaniny, efa miroso amin’ny fizarana ireo fanomezana enti-miatrika ny fety toy ny entana ilaina andavandro sy ny vary.

Raha tsiahivina, Mpitandro filaminana manodidina ny 6 000 eo ho eo no voalaza fa hahetsika mandritra ity fetin’ny noely sy ny faran’ny taona ity. Ary tsy hiova ny fomba fiasa nahomby notanterahin’ny Mpitandro filaminana tamin’ireo fotoan-dehibe teto amin’ny firenena tamin’ity taona ity, toy ny Lalaon’ny Nosy, ny fifidianana, ny lanonam-pianianan’ny Filoha.

Fermer