Non classéSongadim-baovao
TANANAN’I FIANARANTSOA: Tokantrano maherin’ny 1600 nisitraka « Vatsy tsinjo »
Tsy diso anjara amin'ny fanampiana ara-tsosialy ataon'ny Fitondram-panjakana koa ny vahoakan'i Matsiatra Ambony. Omaly, niisa 1600 ireo nisitraka izany, tao an-tampon-tanànan'i Fianarantsoa
Nitohy tao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa, renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny fidinana ifotony ataon’ny Filoha Rajoelina Andry mivady, ao anatin’ny hetsika Sosialim-bahoaka, natao hanalefahana ny fahasahiranan’ny mponina ao anatin’izao fotoan’ny valanaretina izao. Tao amin’ny « Gymnase Ambatomena », ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Fianarantsoa no natao ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tohana ara-tsosialy “Vatsy tsinjo” sy “Tosika fameno” andiany faharoa. Miisa 1635 ireo nahazo ny “Vatsy tsinjo” ho an’ny fanombohana, omaly, tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa..
4 miliara ariary
Nambaran’ny Filoha fa nisy ireo efa nisitraka ny fanampiana ara-tsosialy teo aloha, dia ireo tena marefo, toy ny mpanasa lamba sy ny mpanao asa an-tselika. Noho izany, anjaran’ireo sehatra hafa, voadona mafy amin’ny voka-dratsin’ny valanaretina covid-19 indray no hahazo ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana, amin’izao fotoana izao. Isany izany ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, izay karamaina isan’ora, saingy tsy niasa intsony noho ny fiatoan’ny fampianarana. Eo koa ireo mpitatitra sy ny mpanampy ny mpamily amin’ny zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo, Fianarantsoa ary Toliara. Tsy vitsy koa ireo tompona Bar sy Karaoke izay nikatona tanteraka vantany vao tonga ny covid-19, ary ireo sefo fokontany miisa 53 ao anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa. Ankoatry ny vary amin’ny gony, menaka 2l, Tambavy Covid-Organics, ronono mandry mamy, natao ao anatin’ny “Vatsy tsinjo” sosialim-bahoaka koa ny legioma izay novokarin’ny tantsaha ao an-toerana ka niantohan’ny Fanjakana. Araka ny fanazavana, nanokana tetibola 4 miliara ariary ny Fanjakana hahafaha-manatanteraka ny tosika ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana. 450 kosa, ireo misitraka ny Tosika fameno andiany faharoa ho an’ny omaly. Miisa 20.000 kosa, ny fitambaran’ireo misitraka izany ho an’i Fianarantsoa an-tampon-tanàna. Ary 10.000 isa ireo hisitraka izany ho an’ny distrikan’i Lalangiana.
Fampitaovana ho an’ny CSB II
“Tsy nohadinoina ary natao laharam-pahamehana i Fianarantsoa amin’ny tosika ara-tsosialy”, hoy ny Filoha. Hitohy ao anaty andro maromaro, araka izany, ny fizarana, ka hisitraka izany avokoa ireo tokony hahazo. Fotoana izay nilazan’ny Filoha fa tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana ao anatin’ny efatra hatramin’ny herinandro, ny lisitry ny anarana misitraka ny fanampiana eny anivon’ny Fokontany, mba hahafahan’ireo izay tena tokony hisitraka izany, mahazo ny anjarany. “Mila mametraka fomba fiasa vaovao ny Fokontany”, hoy izy. Tahaka ny faritra hafa misy ny aretina covid-19, nitondra fampitaovana sy fanafody ireo toeram-pitsaboana ao an-tampontanan’i Fianarantsoa ny Filoha. Isany izany ny “concentrateur d’oxygène” miisa 10 izay hahafahana mamonjy haingana ireo marary izay ahitana fahasemporana. Novatsiana fanafody miady amin’ny covid-19 avokoa ireo CSBII miisa efatra mandray an-tanana ny fitsaboana ny mararin’ity aretina ity, ahitana ny CSBII Rova, Manaotsara, Mahazengy, Ankofafa. Nanazava ny Filoha fa maimaimpoana avokoa araka izany ny fanafody fitsaboana ny aretina covid-19 eny amin’ny toerampitsaboana. Tsy tokony hiandry ny fihanaky ny aretina amin’ny vatana koa ny olona mahatsapa ny tenany ho tsy salama fa manatona toeram-pitsaboana avy hatrany handray fanafody. Tsy maintsy ho resy ny aretina covid-19 ary hita fa mihabetsaka ireo sitrana.



