Songadim-baovaoSosialy

TANGORON-DRAHONA LASA ANDRO RATSY : Manome vahana ny oram-baratra ary mety ho lasa rivodoza

Ny fisian’ireo tangoron-drahona roa manodidina ny Nosy izay mitoetra ao amin’ny Lakandranon’I Mozambika sy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana no hanome vahana ny oram-baratra amin’ny faritra maro eto Madagasikara, ato anatin’ny telo andro manaraka. Nisy ny filazana manokana momba ny toetry ny andro eto Madagasikara, omaly tamin’ny 04 ora hariva, mikasika ny firafitra ankapobeny toetry ny andro. Fantatra tao anatin’izany, fa mitoetra maharitra ny « Zone de Convergence Intertropical » (ZCIT) izay miteraka oram-baratra amina faritra maro aty amin’ny ilany andrefan’ny Ranomasimbe Indiana. Vokatr’izany fikorontanana midadasika izany no nampiforona ireo andro ratsy roa. Any amin’ny manodidina ny 480 Km andrefan’i Morombe no misy ny foiben’ilay andro ratsy ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, ary any amin’ny manodidina ny 200 Km atsinanan’i Toamasina kosa, ilay ao an-dRanomasimbe Indiana. Mbola malefaka avokoa ny herin’izy ireo ka manodidina ny 45 ka hatramin’ny 55Km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 60 ka hatramin’ny 70 Km/ora anaty oram-baratra.

Fironana anatin’ny dimy andro manaraka…

Raha ny fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka, dia tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoaran’ireo faritra andro ratsy ireo ka vinavinaina hitombo hery ary ho lasa rivodoza ato anatin’ny 48 ora manaraka. Mety ho haingana kokoa izany, nohon’ny hamandoana mahazo vahana sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny habaka, araka ny fampitam-baovaon’ny Météo malagasy. Tombanana hanalavitra miandalana ny morontsiraka koa, ilay andro ratsy ao atsinanan’ny faritra Atsinanana, ka hanambana ny Nosy rahavavy La Réunion sy Maorisy. An-kilan’izay anefa, mety hanambana mivantana ny faritra atsimon’ny Nosy kosa ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika amin’ny faran’ny herinandro ho avy io. Tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ireo andro ratsy miforona hatreto, raha misy kosa ny fampitandremana mikasika ny fahabetsahan’ny rotsak’orana sy ho an’ny mpampiasa ranomasina.

Mitaky fahamailoana sahady ho an’ny faritra Atsimo

Misy araka izany, fanentanana manokana ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, mba hanaraka ny vaovaon’ny toetry ny andro. Iangaviana koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Besalampy sy Tsihombe mba tsy hiandriaka noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro. Hifantoka bebe kokoa amin’ilay andro ratsy ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, araka izany, ny fanaraha-maso ataon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer