Songadim-baovaoSosialy
TANGORON’ORAM-BARATRA – LAKANDRANON’I MOZAMBIKA: Lasa andro ratsy ary ahina hivadika rivodoza afaka andro vitsy
Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tolakandro, tamin’ny 03 ora, fa misy andro ratsy roa miforona ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Ny voalohany dia ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ny faharoa dia any amin’ny Ranomasimbe Indiana, Atsinanan’ny Nosy Diego Garcia…
Ilay ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, dia niha nahazo hery ireo tangoron’oram-baratra tato anatin’ny 2 andro farany. Niitatra ao afovoan’ny lakan-drano izany tato anatin’ny 24 ora farany. Tsy mbola hita soritra mazava kosa ny toerana misy ny foibeny, hatramin’ny omaly io, saingy tombanana ho any amin’ny manodidina ny 634 Km Avaratra Andrefan’i Morombe no misy izany. Mbola malefaka ny rivotra miaraka aminy ka manodidina ny 20 hatramin’ny 40 Km/ora izany. Ilay ao an-dRanomasimbe Indiana kosa indray, dia any amin’ny maherin’ny 3300 Km Avaratra Atsinanan’Antalaha no misy ilay faritra andro ratsy miforona. Mbola malefaka ihany koa ny rivotra miaraka aminy, ary tsy dia nahitana fivoarana goavana izy tato anatin’ny Andro vitsy farany.
Araka izany, raha ny singa azo avy amin’ny zanabolana, miaraka amin’ny mari-drefy voaray omaly maraina, dia miha tomombana ny tontolo ivoaran’izy ireo, satria mafana ny ranomasina, mitoetra ny hamandoana ary mihena ihany koa ny rivotra mafy izay manelingelina azy any amin’ny tsy taka-maso. Raha ny fiforonana ato anatin’ny dimy andro manaraka, dia tsy ahina hanakorontana ny toetry ny andro eto Madagasikara. Tombanana hikisaka hianatsimo atsinanana kosa, ilay andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ato anatin’ny 03 andro manaraka, ka mety hanakaiky ny morontsiraka Atsimo Andrefana manomboka ny Alahady ho avy izao. Mety hitombo hery miandalana izy mandritra izany ka mety ho lasa rivodoza. Hitondra rotsak’orana betsaka ho an’ny tapany Andrefana sy Atsimo Andrefana ity faritra andro ratsy ity mandritra ny faran’ny herinandro ity. Noho izany, arahi-maso akaiky ity tranga ity, satria tsy ferana ny mety ho fivoarana haingana kokoa noho ny vinavina. Marihina fa tranga matetika miseho ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izany fivoarana haingana izany.
Tsy mbola misy filazana loza
Tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ity andro ratsy miforona ity, raha misy kosa fampitandremana mikasika ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Entanina manokana ny mponina amin’ny faritra Atsimo andrefana mba hanaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro. Entanina hatrany koa ny tsirairay mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony amin’ny fanamafisana ireo fepetra fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny rivodoza. Ny Foibe famanatarana ny toetry ny andro dia manara-maso akaiky ny fivoaran’ity tranga any an-dranomasina ity.
Nangonin’i Stan R.




