PolitikaSongadim-baovao
TANIN’NY CUA ANOSIPATRANA: Ny 20%-n’ny tokony ho hofany ihany no naloan’ny MBS
Isany raharaha nitana ny sain’ny maro tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, ny mahakasika ny fanalana ny orinasan-tserasera “Mbs” eo amin’ny toerana misy azy eny Anosipatrana, noho ny filàn’ny Kaominina ny toerana. Nitondra fanazavana mikasika io ny teo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, omaly, tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina. Nambarany nandritra izany, fa tsy misy idiran’ny resaka politika io raharaha io. Resaka fitantanana sy fampanarahan-dalàna no antony, hoy izy…
“Marina ny filazan’Andriamatoa Ravalomanana fa tsy mahay politika aho”, hoy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly, raha nitondra fanazavana mahakasika ny raharaha “Mbs”, izay mbola mitàna ny sain’ny maro ankehitriny. Ity tompon’andraikitra ity izay nanambara fa tsy misy idiran’ny resaka politika, araka izay iniana voizina amin’izao fotoana. “Ilain’ny Kaominina ny taniny”, hoy izy. Fotoana izay nanindriany fa tanin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra io misy ny “Mbs” eny Anosipatrana io. Midika izany fa tsy misy idirany amin’ny maha orinasan-tserasera azy, io fanapahan-kevitra fanesorana io, fa “na iza na iza no teo dia mitovy avokoa ny fepetra noraisina”, hoy hatrany ny fanazavany. Nanambara koa ny tenany, fa tsy misy manana fikasana hanakatona ity haino aman-jery ity araka izay iniana haely. Efa nomena enim-bolana rahateo ny “Mbs”, hoy izy, hanesorana ny entana rehetra ao an-toerana. Izany hoe fanalana amin’ny toerana no hatao fa tsy fanakatonana.
Hofan-trano tsy voaloa
Nanamafy ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, fa amin’ny maha tompon-tany sy tompon-trano azy ireo, tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra.
“Mpanofa trano tsy dia mandoa hofan-trano ny “Mbs””, hoy ny Ben’ny tanàna.
Araka ny fanazavany mantsy, roa tapitrisa Ariary isan-taona no ao anaty fifanarahana fa tokony aloan’ny orinasa eo anivon’ny Kaominina, ho an’ny tany mirefy 2 500m². Araka ny hita ao amin’ny pejy faharoa amin’ilay taratasy fifanarahana (contrat), dia hofany faran’izay mora no nifanarahan’i Marc Ravalomanana ben’ny tanana, sy Marc Ravalomanana tompon’ny MBS, tamin’izany fotoana. Raha atao izany no kajy tsotsotra, 800 Ar na 4.000 FMG isaky ny metatra tora-droa isan-taona, no mba nasaina naloan’ny MBS. Izany hoe efa nahatratra ny 40 tapitrisa Ariary no vola tokony naloan’ny orinasa “Mbs”, tao anatin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina, nandritra izay 20 taona nampiasany ny tany sy ny trano izay. Nitsotra, anefa, ny teo anivon’ny Kaominina, fa mbola valo tapitrisa Ariary ihany no naloan’ity orinasa ity hatramin’izao. Midika izany fa ny 20%-n’ny hofan-trano tokony naloan’ny Mbs ihany no voaloa hatreto. Io vola io izay vao tamin’ny volana novambra 2019 teo koa no naloa. Atao indray ny kajy tsotsotra, 8.000.000 Ar zaraina amin’ny 20 taona dia manome 400.000 Ar na 2.000.000 FMG. Hita avy amin’izany fa io tarehimarika farany io no mba naloany isan-taona. Izany hoe 33.333 Ar na 166.666 Ar isambolana. Na tranon’akoho aza ve ho voahofa amin’izany? Azo heverina, noho izany, fa fahatahorana ny hivoahan’ny marina no mody nandoavana ireo valo tapitrisa tamin’ny herintaona io, satria tsy ny Tim intsony no teo amin’ny fitantanana. Tsy mahagaga, araka izany, raha miezaka mifikitra mafy eo amin’io toerana io izy ireo, satria izay ihany no hany tokana hahafahana manafina ireo bizina maloto tsy hitan’ny olona rehetra. Mbola nanamafy ny teo anivon’ny Kaominina fa tsy maintsy mitsinjo ny teti-bola sy ny fitantanana ara-dalàna izy ireo, ka antony nandraisana ny fepetra. Ankoatra izay, isany zava-baovao nolazain’ny Ben’ny tanàna ihany koa ny mahakasika ny tsy fandoavan-ketran’ity orinasa ity.
“Azo sokajina ho toy ny tsy misy intsony ny orinasa Mbs, satria tsy hita intsony any amin’ny lisitr’ireo mpandoa hetra, toy ireo orinasa rehetra”, hoy izy.
Fifanarahana tamin’ny orinasa manokana
Ankoatra ny raharaha “Mbs”, noresahan’ny Ben’ny Tanàna ihany koa ny mahakasika ny “Carrière” any amin’ny PK7, lalam-pirenena faharoa. Io toerana io izay an’ny Kaominina, saingy misy hifandraisany koa amin’Andriamatoa Ravalomanana. Araka ny fanazavana, ny 5%-n’ny vato mivoaka avy any an-toerana, dia tokony ho an’ny Kaominina. Tsy izany anefa no zavamisy, “na vato iray aza tsy tonga taty amin’ny Kaominina”, hoy izy. Nanapa-kevitra, noho izany, ny Kaominina Antananarivo ny hanatsara ny toerana. Araka ny fanazavana, ny 8 aogositra 2000 no nanao fifanarahana (contrat) fampanofana maharitra (bail emphythéotique) ny Kaominina sy ny MBS. Ny tsara ho fantatra dia Andriamatoa Ravalomanana Marc no Ben’ny tanana tamin’izany vanim-potoana izany, kanefa, izy ihany koa no tompon’ny MBS. Efa fandikan-dalàna anefa izany, na ilay antsoina hoe “conflit d’intérèts”. Tamin’ireny fotoana ireny rahateo tsy mba nisy onjam-peo na fahitalavitra hafa afaka nahazo tany tamin’ny Kaominina, saingy niangarana kosa ny MBS.

Roso ny fampiharan-dalàna…
Anisany nitondran’ny Filoha teo aloha, Ravalomanana, fanakianana mafy ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, ny amin’ny tokony hanajana ny “Bail emphytéotique”. Mazava, anefa, raha ny voalazan’ny andininy fahadimy ao amin’ny fifanarahana, fa ny tsy fanarahana ny andininy iray monja ao amin’ny “Contrat” dia ampy tsara hampitsaharana azy (Résiliation du contrat). Efa hiaraha-mahalala anefa amin’izao fotoana, fa sady tsy mahaloa hofan-trano ny MBS no tsy nisy fikojakojana mihitsy ny trano sy ny tany nandritra izay 20 taona izay, izay fandikana ny andininy fahatelo, andalana faharoa (art 3 al 2). Ary farany, ilain’ny Kaominina koa ny tany sy ny trano eo amboniny, izay voalazan’ny “Contrat” mazava fa lasa fananan’ny Kaominina (andininy faha-3 andalana faha-4 na art 3 al 4). Ny azo ambara dia hoe, aleo hivoaka ny marina fa i Marc sy Lalao Ravalomanana dia nanao ny tsy ara-dalàna, fanararaotam-pahefana amin’ny fananan’Antananarivo Renivohitra. Izy ireo indray, anefa, no milaza fa hanaovana antsojay, ary milaza hatrany fa mandala ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena.
Ny Fanoratana.



