Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

TANORA SY NY FANATANJAHANTENA Manatanteraka ny velirano ho fanohanana ireo tanora ny faritra Bongolava

Miroso amin’ny fanatanterahana ireo velirano napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny isam-paritra ankehitriny. Anisan’izany ny ao amin’ny faritra Bongolava, izay tsy mihanona fotsiny amin’ny fanatanterahana ireo veliranom-pampandrosoana mirona amin’ny lafiny ara-tsosialy fotsiny, fa mitodika ihany koa amin’ny velirano fampandrosoana sy fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Nisy ny « lalao firaisan-kina » baolina kitra notanterahin’ny kaominina Ambanivohitra Soanierana, ny alatsinainy 15 novambra lasa teo, izay teo ambany fiahian’ny Governoran’ny faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Namafisin’ny mpiara-maisa akaiky tamin’ny Governora, Rajaonarison Mamy Clarry, fa « ankoatra ny naha tafiditra ny hetsika tao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena izao lalao natao izao, dia natao indrindra hamerenana ny Soatoavina malagasy mifototra amin’ny firaisan-kina ». Nisy ny lalao nihaonan’ny tanora lahy avy tao Firavahana sy ny ekipan’ny Soanierana. Nandritra ny famaranana kosa, no nandrombahan’ny ekipan’ny FC FAMI avy ao Analamarina, ny omby matavy natolotry ny faritra Bongolava. « Ny tena tanjona tamin’izao lalao ara-pirahalahiana izao koa, dia ny hahatanterahan’ny velirano fanohanana ny tanora sy fanatanjahantena io ety ifotony, ho fampandrosoana ny isam-paritra fa indrindra ny ato amin’ny faritra Bongolava ».

Fermer