PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TAO ANATIN’NY 11 ANDRO…: Tranga fanolanana 18 no nandalo Fampanoavana
Marobe ireo olona nampiakatra raharaha teo anatrehan’ny Fampanoavana Anosy, tamin’ny taon-dasa teo iny, raha ny tranga fanolanana no asian-teny. Miisa 515 izany ho an’ny taona 2023. Ho an’ity taona 2024 ity kosa, dia tranga efa hananika ny 20 no efa nandalo teo anatrehany, araka ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy…
Raha somary nafenina hatramin’izay ity tranga fanolanana zaza tsy ampy taona ity, tany aloha, noho ny henatra sy ny tsindry samihafa, ary nohon’ny raharaham-pihavanana ifanaovan’ny andaniny sy ny an-kilany, dia tsy izany intsony hatramin’ny taona vitsy lasa izay. Efa sahy mitoroka avokoa amin’izao fotoana ny fianakavian’ny niharam-boina, sy izay rehetra mahita sy mahare tranga eny amin’ny fiarahamonina. Miteny ny antontanisa, raha tsy hilaza afa-tsy ny etsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, fa fiakaran-draharaha miisa 515 no voarain’ny Fampanoavana Anosy, mikasika raharaha fanolanana nandritra ny taona 2023 lasa iny. Ho an’ny taona 2024 dia miisa 18 sahady izany, ka ny 02 tamin’ireo mpanolana tao anatin’izany dia tsy ampy taona avokoa, 14 sy 17 taona. Ilay voalohany nanolana ankizivavy 09 taona, ary ny faharoa nanolana zaza 05 taona, izay efa samy nalefa eny amin’ny Mpitsara ny zaza tsy ampy taona avokoa. Ho an’ny andron’ny omaly 11 janoary 2024, dia lehilahy miisa 02 izay samy voarohirohy ho nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona no nentina teo anatrehan’ny Fampanoavana Anosy. Iray 24 taona, izay nanolana zazavavy 13 taona, ary ny fiampangana azy, araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Mpampanoa lalàna, dia hitany nirenireny teny amoron-dalana, teny Antohomadinika, ity zazavavy kely ity, ary nentiny nody tany an-tranony, ny alin’ny 08 janoary lasa teo. Ny manodidina no fantatra, fa nahatsikaritra ity tranga ity, ary niantso ny manam-pahefana akaiky. Taorian’ny antanan-tohatra isan-tsokajiny nandehanan’ny raharaha, dia nalefa eny amin’ny ivon-toerana « AVOKO Ambohidratrimo » ity zazavavy ity, noho izy tsy manana fianakaviana. Ny iray 19 taona, voarohirohy ho nanolana zazavavikely 12 taona, teny Saropody Tanjombato, ny taona 2023. Nametraka fitoriana ny Ray aman-drenin’ny zaza rehefa nandrenesana fitarainana.
10 taona mbola azo henjehina ny tranga fanolanana
Nomarihan’ny teo anivon’ny Fampanoavana Anosy, fa 10 taona mbola azo henjehina ny tranga heloka bevava fanolanana. Ankoatra izay, tsiahivina, fa mitovy ny sazy miandry ny mpanolana sy ny nanandrana fanolanana, araka ny voalazan’ny andininy faha-332 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, izay samy saziana asa an-terivozona avokoa. Mikasika ity raharaha voarain’ny Fampanoavana Anosy omaly ity, araka izany, dia mitaky ny famonjàna ireo roa lahy ao amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, ny Fampanoavana, ary tsy handefitra amin’ny mety ho fangatahana fahafahana vonjimaika, araka ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa lalàna Fitsarana Ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona, farany teo, izay hampiharana ny Politika famaizana iarahan’ny fitsarana sy ny Minisitera manatanteraka.
Stan R.




