SamihafaSongadim-baovaoSosialy
TAO ANATIN’NY ROA TAONA LATSAKA…: Sekoly manarapenitra 15 no efa misokatra ofisialy
Fanamby nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanolotra fanabeazana tsara kalitao ho an’ny zanaka malagasy rehetra. Lalàna hahatrarana izany indrindra ny fananganana ireo sekoly manarapenitra maro manerana ny Nosy. Omaly, nanao ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny taom-pianarana 2020-2021, tetsy amin’ny Epp – Ceg Manarapenitra Soamandrakizay, ny Filoham-pirenena mivady. Fotoana izay nanokafana ny tamin’ny fomba ofisialy ireo sekoly manarapenitra 15 hafa vita tao anatin’ny fotoana fohy.

Mahatsapa ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ankehitriny fa hiangaran’ny Fitondram-panjakana manokana ny sehatra misy azy ireo, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, tetsy Androhibe. Manam-porofo izany ireo fotodrafitrasa manarapenitra maro efa natao sy mbola hatao manerana ny Nosy. Araka ny fanazavan’ny minisitra tomponandraikitra, sekoly manarapenitra miisa 15 manerana ny Nosy no vitan’ny Fanjakana tao anatin’ny fotoana fohy, ary niaraka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly. “Miisa 7738 ireo ankizy voasoratra anarana hianatra amin’izy ireny, ary 240 ireo mpampianatra notendrena hiasa aminy. Miisa 99 kosa ireo mpandraharaha, ary 168 ny lakilasy ary 4200 isa ireo dabilio any anatiny”, hoy hatrany fanazavana. Nambarany fa mbola misy sekoly manara-penitra 59 izay hatao, hatomboka amin’ity volana desambra ity ary hahitana lakilasy miisa 800.
Fanatanterahana Velirano

Velirano fahefatra nataon’ny Filoham-pirenena ny fanomezana fampianarana sy fanabeazana tsara kalitao ny ankizy malagasy. Mifanindra an-dalana amin’izany koa anefa ny fampiakarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly. Notsiahivin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena omaly araka izany ny ezaka efa ataon’ny Fanjakana amin’ny fanaovana maimaim-poana ny saram-pisoratana anarana eny amin’ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Nambarany koa ny fizarana fitaovam-pianarana sy rakibolana any amin’ireo sekoly maro manerana ny Nosy ataon’ny Fanjakana.
EPP – CEG SOAMANDRAKIZAY

Tahaka ireo sekoly manarapenitra hafa dia natao hanakaiky ireo mpianatra, mba tsy handeha dia an-tongotra lavitra, ny fametrahana ny EPP sy ny CEG ao Soamandrakizay. Ho toeram-pampianarana modely ny Epp sy Ceg manarapenitra eny Soamandrakizay eto Madagasikara, hoy ny Filoha. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro manontolo ny sekoly. Feno ny fitaovana ampiasaina ao amin’ny sampana « moyenne section » raha toa ka miantoka fitaovana hatrany ny mpampianatra teo aloha noho ny tsy fisian’izany avy amin’ny Fanjakana. Ankoatran’ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fampitaovana, napetraka voalohany tao an-toerana ny fampiarana amin’ny alalan’ny “tableau interactif”. Hanampy amin’ny fanitarana ny sain’ny mpianatra ny fanatsarana izay tanteraka amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny Unicef. Hanampy amin’ny fahalalana sy ny fanovozana fahaiza-manao ihany koa ny Rakibolana sy ny boky avy amin’ny Filoha. Ho hita ao an-toerana ihany koa ny toerana fisakafoana, ny fitsaboana sy ny fanaovana fanatanjahantena amin’ny alalan’ny kianja mixte fanaovana baolina kitra. Nandritra ny fotoana omaly, nanolotra rakibolana ho an’ireo kilasy hanala fanadinana rehetra ihany koa ny Filoham-pirenena. Nankahery ireo mpianatra ny tenany ary nampirisika azy ireo hilofo sy hazoto hatrany amin’ny fianarana.



