
Songadim-baovaoToekarena
TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024-2025: Natomboka omaly, hapetraka ny andro manokana hanaovana fanaraha-maso
Zanakazo 80 000 no natsatoka omaly nandritra ny fanombohana ny taom-pambolen-kazo 2024 omaly. Tanjona hapetraka anefa ny hahavanona ireo zanakazo ka tsy maintsy ampiharana paikady. Isan’ireo paikady ireo ny fametrahana andro manokana hanaovana fanaraha-maso ny fambolena natao sy n'y fanamafisana fametrahana aro afo.
Niavaka ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 natao omaly 16 desambra. Tsy toy ny isan-taona izany fa nosafidiana manokana nanaovana ny fanamarihana ny tany amin’ny sahandrikan’Andekaleka, Distrikan’i Brickaville. Midika io fa in-telo mihatoana izao no nandray ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo ny tao amin’ny Faritra Atsinanana: tany Mahanoro ny tamin’ny taona 2022, Ilaka Est ny 2023, ary izao natao tao Andekaleka izao indray ny tamin’ity taona ity. Araka izany, velaran-tany 50ha no novolena zanakazo zanatany miisa 80 000 isa. Tonga maro ireo mponina avy amin’ny kaominina ambanivohitra Andekaleka, Loharindava, ary Beforonona nanomboka ny fambolena. Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Filohampirenena, ny Praiminisitra, ireo mpikambana maro ao amin’ny Governemanta, ary ireo tale isan-tsokajiny.
Mitahiry sy manome rano ny ala. Zava-misy eny amin’ny manodidina an’Andekaleka ny fandripahana tsikelikely ny ala hanaovana fambolena ka mampihena ny tahirin-drano. Iaraha-mahalala anefa fa ahitana ny toby lehibe indrindra mpamokatra herinaratra mamatsy an’Antananarivo sy ny manodidina i Andekaleka. Olana sy fanamby atrehina amin’izao fotoana ny tsy fahampian’ny rano ao amin’ny tohadranon’Andekaleka entina mampiodina ny toby. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine dia vinavinaina mbola hihena hatramin’ny 20% aza ny rotsak’orana hatramin’ny taona 2050, hampihena hatrany ihany koa ny tahirin-drano. Vokany, misy fiantraikany amin’ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra io zava-misy io. Raha nahatratra 82m3 isan-tsegondra ny fikorinan’ny rano tamin’ny volana febroary dia tafidina 17m3 isan-tsegondra izany ankehitriny. Mihena mitovy amin’io ny famokarana angovo satria raha 98mw izany teo aloha dia lasa 17m3 isan-tsegondra izany amin’izao fotoana. Fehiny, manan-danja ny fikaroham-bahaolana ho fanatsarana ny tahirin-drano sy famokarana angovo ao Andekaleka.
Toby vaovao hamokatra 64mw any Ranomafana
Tsy mijanonana eo amin’ny fohy sy antonin’ezaka ihany, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny fitadiavam-bahaolana momba ny olan’ny famatsiana herinaratra. Zava-dehibe ihany koa ny fampiharana ireo vahaolana lavitr’ezaka ka iray amin’ireo ny fanamafisana ny fambolen-kazo. Mifanindran-dalana amin’izany, mila mampihatra paikady mba hampahomby ny fambolen-kazo isika satria tanjona ny tsy hamboly zanakazo fotsiny ihany fa sady hahavanona ihany koa. Araka izany, paikady ampiharina ny fampifanarahana ny tetiandron’ny fambolen-kazo amin’ny vanim-potoana fiavian’ny orana. Antony nandrosoana ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo tamin’ity taona ity ary tsy mitovy ny fanombohana isam-paritra. Ankoatra io, paikady miantoka ny fahobiazan’ny fambolen-kazo ihany koa ny fanaraha-maso. Noho izany dia nanambara ny Minisitra fa hametraka andro voatokana amin’io taona 2025 hanaovana fanaraha-maso ny hazo novolena. Tsy adinoina ihany koa ny fiarovana amin’ny afo ireo hazo novolena satria izany no fahavalon’izy ireo voalohany. Hampiroboroboana hatrany, araka izany, ny fametrahana aro afo eny amin’ireo toeram-pambolen-kazo. Maherin’ny 1000km no efa voapetraka tamin’ity taona ity. Na eo aza ireo, miainga avy amin’ny tsirairay ny fandraisana andraikitra momba ny fiarovana sy fanaraha-maso ny fambolen-kazo.
Eo amin’izay fitadiavam-bahaolana izay hatrany, nanambara ny Filoha Andry Rajoelina omaly fa hiroso amin’ny fametrahana vato fototry ny fotodrafitrasa hametrahana tohadrano hamokatra 64mw any Ranomafana ny tenany amin’io de herinandro ho avy io. Rehefa hihodina io tobim-pamokarana herinaratra io dia hahafahana mamaly ny 30%-n’ny filàna herinaratra eto Antananarivo.
Miantoka ny fahaveloman’ny hazo ny fahaiza-mamboly azy
Tsara ny manamarika fa tsy ataotao foana ny fambolen-kazo. Nanazava ny teknika miantoka ny fahombiazan’ny fambolen-kazo ireo teknisianinn’ny ala. Araka izany, teknisianina iray no nanazava fa misy dingana maromaro ny fanaovana fambolen-kazo. Dingana voalohany ny fanomanana ny lavaka mirefy 40x40cm. Dingana faharoa ny fanotofana tany ka ny tany mainty ambony lonaka no alefa voalohany, manaraka azy ny tany mena. Rehefa tonga eo amin’ny fambolena indray, didiana ny kitapo mifono ny zanakazo ary atsatoka. Angonina tsy aparitaka kosa ireo kitapo tsy ilaina avy eo. Rehefa vita tsatoka dia arahina tondraka kely ny zanakazo.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




