PolitikaSongadim-baovao
TAOM-PIFIDIANANA – FISOROHANA NY FAMOTSIAM-BOLA: Nanome toromarika ireo Banky hampitombo ny fahamailoana ny Samifin
Matetika ao anatin’ny vanim-potoana ankatoky ny fifidianana tahaka izao no maha betsaka ireo vola maloto mihodina hampiasaina amin’ny fiatrehana izany. Ho an’ny eo anivon’ny Samifin, dia efa nisy ny toromarika manokana nomena ireo Banky sy Rafitra mpikirakira vola eto amintsika, mba hampitombo ny fahamailoana amin’ity taom-pifidianana ity. Mihetsika avy hatrany ny Samifin, vantany vao maharay tatitrana tranga mampiahiahy.
Matetika tsy famotsiam-bola vola maloto fa fandaniana no miseho rehefa fotoanan’ny fifidianana tahaka izao, hoy ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola ny fampihorohoroana (Samifin), Rajaonarison Mamitiana omaly. Na izany aza, ho fisorohana an’izany fiparitahan’ny vola maloto mandritra ny fifidianana izany dia fepetra noraisin’ny Samifin ny fanomezana toromarika ny banky sy ireo rafitra mpikirakira vola rehetra mba hampitombo ny fahamailoana. “Tahaka ny mazahatra, raha vao mahita vola mampiahiahy ny Banky, miainga amin’ny fanazavan’ilay tompon’ny vola, ka tsy maharesy lahatra ny valinteny, dia alefan’ny banky any amin’ny Samifin avy hatrany ny fanambarana tranga mampiahiahy (Déclaration d’opération suspecte). Manao fanadihadiana avy eo ny Samifin”, hoy ny fanazavana. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa raha vao vola tsy mifanaraka amin’ny lalàna eto Madagasikara dia hampahafantarina azy ireo avy hatrany.
Araka ny fanazavana, anisan’ny tranga azo ametrahana fiahiahiana, ohatra, ny fisiana fandrotsaham-bola mihoa-pampana tampoka mihoatra ny mahazatra. Eo indrindra no mametraka fanontaniana ny banky raha toa ka mitombina ny ahiahy dia hampitaina any amin’ny Samifin, ary ity farany indray avy eo no mandefa ny raharaha eny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), raha ilaina. Miankina amin’ny tranga misy kosa ny hirosoana avy hatrany amin’ny fanagiazana ny kaontin’ny banky na tsia.
Tsara ho fantatra fa tonga eto Madagasikara ankehitriny ny teknisianina, manam-pahaizana keniana, mizara ny traikefa sy mampiofana ireo tomponandraikitra malagasy mahakasika ny fanombanana ny ambana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana mandalo eto amintsika. Araka ny fanazavana, dia fanindroany izao i Madagasikara no manao fanombanana izao, raha toa ka tamin’ny taona 2017 no voalohany. Fotoana izay hijerena ireo ambana samihafa ireo mba hahafahana mametraka paikady iadiana amin’izany.



