Songadim-baovaoToekarena
TAOM-PIOTAZANA LETISIA 2024: Nihena ny vokatra, miisa 942 ireo mpanangom-bokatra sy mpandraharaha ara-dalàna
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 12 novambra 2024 ny taom-pihotazana vokatra letisia taona 2024 ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Nahitana fiovana tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ny fandraharahana letisia tamin’ity taona ity, hoy ireo mpisehatra amin’izany. Tamin’io omaly io fotsiny, ohatra, dia nihemotra tamin’ny 06 ora hariva ny fanokafana ofisialy ny taom-pihotazana raha toa ka novinavinaina tamin’ny 12 ora antoandro izany. Anton’io fihemorana io ny tsy mbola fisian’ireo fiarabe mpitatitra vokatra mitandahatra teny amin’ny sakana fiaingana. Ankoatra izay, lasa aloha ihany koa ny taom-pihotazana letisia tamin’ity taona ity. Tamin’ny 21 novambra no nanaombohana izany tamin’ny taona 2023. Mangony fotsiny ny fihenan’ny vokatra satria tsy misy afa-tsy 4 na 5 garaba eo ny letisia azo avy amin’ny fototra iray kanefa nahatratra 20 garaba izany teo aloha. Noho io fihenan’ny vokatra io no antony hafa mbola manazava ny fahavitsian’ireo mpanangom-bokatra sy mpandraharaha tamin’ity taona ity. Fantatra fa miisa 942 izy ireo tamin’ity taona ity no nahazo fahazoan-dalana sy ara-dalàna, mitaha ny antontanisa 1170 tamin’ny taon-dasa.
Nanazava ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra David Ralambofiringa fa ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro no mahatonga ny fihenan’ny vokatra letisia amin’izao fotoana, indrindra ny tsy fahampian’ny orana. Tsy eto Madagasikara irery ihany, hoy ny Minisitra, fa tranga iainana maneran-tany izany. Noho izany dia mila mahay miatrika ny zava-misy isika. Izany indrindra no antony nahatonga ireo mpisehatra rehetra sy ny Minisitera nanatanteraka fivoriana, nandinihana sy nampirisihana ireo mpisehatra rehetra mba hampiasa vola amin’ny fanavaozana sy fanampiana ny vokatra, sy ny tokony hijerena akaiky ireo mpamboly.
Ankilany, nanomboka omaly hariva ny fikirakirana ireo vokatra letisia ahondrana any ivelany. Efa hatramin’ny herinandro lasa teo, raha tsiahivina, no niatrana tao Toamasina ireo sambo 2 lehibe hitatitra ireo vokatra haondrana. Manodidina ny 20 000T hatramin’ny 22 000T ny letisia kasaintsika alefa any ivelany amin’ity taona ity. Manahy ny tsy hahatrarana izany anefa ireo mpandraharaha. Mitovy amin’izany ihany koa ny mety ho fahavitsian’ny vokatra eto amin’ny tsena anatiny.
Sarobidy Sidonie.



