PolitikaSongadim-baovao
TAONA 2020: Nanjakan’ny demokrasia ny tontolo politika teto Madagasikara
Tsy mora ny lalana natrehin’i Madagasikara nandritra ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19. Na izany aza, fanamby lehibe no nataon’ny Fanjakana mijoro ankehitriny tamin’ny fampanjakana hatrany ny demokrasia teto amin’ny tany sy ny firenena. Niseho tamin’ny endrika maro izany, toy ny fanalalahana ny fanehoan-kevitra nandritra ny Hamehana ara-pahasalamana, ny nametrahana ny lalàna vaovao mifehy ny serasera, ny nanatontosana ny fifidianana Loholona sy ny sisa.
“Ny fanarahan-dalàna no fetran’ny Demokrasia”, io no teny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, volana vitsy lasa izay, raha naneho hevitra mahakasika ny fiainana ny demokrasia eto Madagasikara ny tenany. Araka izany, tsy nisy fanehoan-kevitra na hetsika voatohitohina mihitsy teto amintsika, eny fa na dia nandritra ireny Hamehana ara-pahasalamana ireny aza, raha mbola tao anaty fanarahan-dalàna koa no nanaovana izany. “Réquisitionné” avokoa ny Haino aman-jery rehetra, araka ny voafaritry ny lalàn’ny Hamehana. Saingy tsy nametraka sakana velively tamin’ny fanehoan-kevitra sy ny fandaharana maro samihafa tamin’ny haino aman-jery ny Fanjakana. Betsaka ny kiana nahazo ny Fanjakana tamin’ny ady tamin’ny Covid-19 fa tsy nampihemotra tamin’ny ady izany, ary tsy sakana tamin’ny fahombiazan’ny paikady koa.
Nisongadina nandritra ity taona 2020 ity ihany koa ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny Serasera amin’ny Haino vaky jery vaovao izay dingana goavana ho an’ny fampanjakana ny demokrasia teto amintsika. Andininy manan-danja ao anatin’io lalàna io tokoa mantsy ny tsy fisian’ny fanagadrana mpanao gazety intsony, noho ny asany. Endrika fahalalana goavana izany. Ary tsy azo lavina fa fahasahiana goavana nananan’ny Fanjakana ankehitriny ny nametraka io lalàna io ho fanomezan-danja ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny.
Fifidianana Loholona
Nirosoana tamin’ity taona ity ny fifidianana Loholona satria izay no voafaritry ny lalàmpanorenana. Nanana ny safidin’ny rehetra, nanomboka tany amin’ny fanapahan-kevitra handray anjara tamin’ny fifidianana na tsia, izay efa endriky ny demokrasia. Nizotra tamin’ny antsakany sy andavany ny fifidianana, nandraisan’ny antoko politika samihafa anjara. Tetsy ankilany, nanaraka izay voafaritry ny lalàm-pifidianana tanteraka izany ary tamin’ny fomba demokratika tanteraka ihany koa.
Hanao Kabary ho an’ny vahoaka malagasy, manodidina ny 40 minitra eo, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, anio, amin’ny 08 ora alina. Hivantana ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM sy ny Radio Nasionaly malagasy RNM izany Kabary izany, izay hifantoka indrindra, amin’ny jery todika ny zava-bitan’ny Fitondrana malagasy nandritra an’iny taona 2020 iny ary hanoritsoritana ny asa hatrehana amin’ny taona . Ity taona 2020 hadiva hifarana ity dia taona niavaka noho ny valan’aretina Covid-19 nianjady tamin’ny Firenena maro manerana izao tontolo izany. Isan’ny nianjadian’izany ny vahoaka malagasy ary niady tamin’ny famongorana izany ny Fitondrana malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ary nahitana fahombiazana izany na dia mbola tsy tena fongotra tanteraka aza izany. Teo koa ny tsy fahampian-tsakafo tany Atsimo noho ny fisian’ny haintany. Tsy niraviravy tanana manoloana izany ny Fitondram-panjakana fa niatrika ary nisy hatrany ny fandraisana andraikitra. Na dia teo aza izany krizy ara-pahasalamana sy ara-tsakafo izany (kere, covid-19) , tsy nahasakana ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina niroso tamin’ny fanatanterahana ny « velirano » nataony tamin’ny vahoaka malagasy izany. Afaka niroso tamin’ny fanatanterahana ireo tetikasa marobe voasoritra tao anaty velirano ny Fanjakana. Isan’ireny ny fanarenana indray ny Rovan’Antananarivo, ny fanombohana ny kianjan’i Barea, ireo sekoly manarapenitra isaky ny Distrika, ireo hopitaly manara-penitra…, ny fanarenana ny Lalampirenena RN 44, ny Lalampirenena RN 5 A…



