SamihafaSongadim-baovaoSosialy

TAONA 2021-2022 : Hampiakarina 75.000ha ny velarantany hambolena zanakazo

Anisany ezaka goavana vitan’ny Fanjakana ankehitriny ny fahatrarana ny tanjona 40.000 ha velarantany, tamin’ny taom-pambolenkazo 2019-2020. Araka ny fanazavana, tafiakatra hatrany amin’ny 45.000 ha ny velarantany voavoly ho an’io taom-pambolena io. Tetsy ankilany anefa, nametraka fanamby ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy fa hampiakarina 75.000 ha ny velarantany hambolena ireo zanakazo ho an’ny taona 2021-2022. Anisany toromariky ny Filoha ho an’ity taona ity fa taonan’ny fikirizana sy ny taon’ny hafainganam-pandeha ny taona 2021. Araka izany, tafiditra ao anatin’ny 75.000 ha ho volena ireo ny ala honko sy ny ala an-tanety.

Tsara ho fantatra fa notanterahina tao amin’ny “Domaine La Cascade Plantation Lansargues” Manatantely, Kaominina Soanierana, Tolagnaro, renivohitry ny Faritra Anôsy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo 2021-2022. Nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpikambana amin’ny Governemanta. Tao ihany koa ny fikambanana tsy miankina, ny mpiara-miombonantoka, relijiozy, mpianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra manodidina ny 100. Nanampy azy ireo ny fokonolona sy ny miaramila hatrany amin’ny 800 isa. Maika nanamora ny fambolen-kazo ny firotsahan’ny orana tao an-toerana.

Fambolenkazo ilaina sy manatona ifotony

Ankoatra izay, nandeha an-tongotra nandritry ny 41 minitra ny Filoham-pirenena nijery akaiky ny ala tao amin’ny “Domaine” izay hita ho miha potika haingana. Araka ny tatitra, tao anatin’ny telo volana, tsy nitsahatra niharipaka ny ala. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy arovana ny ala, hoy ny Filoha. Anjaran’ny olom-pirenena no miaro ny ala manomboka izao. Ny ala no miantoka ny rano hahafahan’ny olona mivelona. Antony maha zava-dehibe ny fambolenkazo. Manapaka aina kosa izay manapaka ala, hoy ny Filoha. Marihana fa lohahevitra ho an’ny taona 2021 ny hoe : « fambolenkazo ilaina sy manatona ifotony ». Nanome toromarika ny Filoha, araka izany, fa hiainga any amin’ny toeram-pianarana ny fambolen-kazo. Tokony hiroso amin’ny fambolen-kazo folo ihany koa ny olompirenena tsirairay. Tanjon’ny Filoha amin’izany ny hahafahana mahatratra an’i Madagasikara maitso indray.

Fermer