Fanadihadiana ManokanaPolitika
TAONA 2024 : Fandresena ara-diplomatika maro azon’i Madagasikara
Mamiratra ny Diplomasia malagasy. Nanao tohivakana ireo fandresena ara-diplomatika azon’i Madagasikara tamin’ity taona ity noho ny ezaka ataon’ny Governemanta amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ka mampisongadina antsika eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Sambany teo amin’ny tantara i Madagasikara no handray ny fitantanana ny Vondrona SADC. Ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, no voatendry ho filohan’ny Vondrona SADC mandritra ny fe-potoam-piasana 2025-2026, voalohany indrindra amin’ny tantaran’i Madagasikara izany raha toa ka efa roapolo taona no naha-mpikambana an’i Madagasikara tao anatin’ity vondrona ity, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika, raha tsiahivina. Fanendrena izay nohamafisina nandritra ny fihaonambe faha-44 natao tany Harare, Zimbaboe, midika ho fankasitrahana ny fitarihana sy ny fanoloran-tenan’Andriamatoa Filoha Rajoelina, hoy hatrany ny fanazavana. Tafiditra anatin’ny “Troika”-n’ny SADC i Madagasikara ankehitriny, amin’ny maha firenena hitantana manaraka ny SADC azy.
Ny fihaonana an-tampon’ny SADC dia hotanterahina eto Antananarivo amin’ny volana aogositra 2025 ary amin’izany ihany koa no hirosoana amin’ny fifamindram-pahefana, ka hanamafy ny andraikitry ny diplaomasia eto Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany.
Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny Lehiben’ny Diplomasia malagasy dia efa eo ampandinihana ny lohahevitra izay ho entin’i Madagasikara hitantanana izany vondrona izany isika, ary efa eo am-pikarakarana sy fijerena ny pitsopitsony rehetra mba hahafahana mandray ny fihaonana an-tampony ihany koa. Tsara ho fantatra fa tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny fitantanana ny SADC, na eo amin’ny lafiny fizahantany, na eo amin’ny lafiny toekarena, satria fomba iray io hisintomana mpizahatany maro ho eto Madagasikara. Fotoana ihany koa io hahafahana misintona fampiasam-bola avy any ivelany, ary sady fampahafantarana ihany koa ny vokatra izay misy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny asa tanana, sy ny Fihariana izay misy eto Madagasikara hahafahana mampifandray ireo orinasa malagasy amin’ireo orinasa vahiny, ary indrindra entina manamafy ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena anatin’ny Vondrona sy izao tontolo izao.
COI : Handray ny fihaonana an-tampony i Madagasikara
Madagasikara ihany koa dia miomana hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 eo anivon’ny vondron’ny firenena anatin’ny ranomasimbe Indianina (COI) amin’ny fiandohan’ny taona hoavy. Marihina fa efa vonona nanomboka ny taona 2020 ny firenena malagasy handray izany fihaonana izany. Ny valanaretina Covid-19 no tsy naharaikitra ny fihaonana.
Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, dia mitohy ny fandinihana ny fahatongavan’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron eto amintsika, taorian’ny fanasana nataon’ny Filoha malagasy azy tany Frantsa.
FIVORIAMBEN’NY FIRENENA MIKAMBANA FAHA-79 : Filoha lefitra i Madagasikara
Voafidy ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana faha-79 i Madagasikara mandritra ny herintaona, nanomboka ny volana septambra 2024 ka hatramin’ny volana septambra 2025, izay taratry ny fatokisan’ireo firenena anatin’ny Vondron’ny firenena mikambana izany. Io toerana stratejika io dia hanampy an’i Madagasikara hanamafy ny toerana misy azy ao anatin’ny Firenena Mikambana, ary hampiroborobo ny soatoavin’ireo nosy ary koa hiaro ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Hahafahan’i Madagasikara manohana ny ezaka ataon’ny firenena rehetra hanafaingana ny fampandrosoana sy handray anjara amin’ny fikatsahana vahaolana maneran-tany ihany koa io anjara andraikitry ny firenena malagasy io.
FIHAONANA AN-TAMPONY CHINE – AFRIKA : Nandray anjara i Madagasikara
Tsy diso anjara tamin’ny fihaonana an-tampony FOCAC ny volana septambra teo i Madagasikara, izay anisan’ny firenena mandray anjara mavitrika anatin’izany, miaraka amin’ny delegasiona izay notarihin’ny Filohan’ny Repôblika ho fanamafisana ny fahafahana ara-toekarena sy hisarihana ireo mpampiasa vola anatin’ny sehatra stratejika. Ity fandraisana anjara ity ihany koa dia nikendry ny hanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta, Madagasikara sy Sina, mpiara-miombon’antoka ara-barotra lehibe eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fanolorana tetikasa laharam-pahamehana sy ny fampiroboroboana ny fanondranana ny vokatra malagasy.
Nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa tsy manarak’efa fotsiny fa tena tompon’ny hevitra i Madagasikara eo anivon’ny FOCAC amin’izay tokony ho atao. Tsara ho fantatra fa fihaonana an-tampony voalohany eo anivon’ny FOCAC ity natao ity, raha toa ka teo anivon’ny Minisitra ihany izany teo aloha.
TICAD
Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika no nitarika ireo delegasiona nanatrika ny filankevitry ny Minisitry ny TICAD tany Tokyo ny 24 sy 25 aogositra 2024, ho fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny TICAD 2025, ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra ary handray anjara amin’ny famahana ny fanamby eran-tany.
VAOMIERAN’NY VONDRONA AFRIKANINA : Manana kandidà i Madagasikara
Isan’ireo firenena nandrotsaka kandidà hofidiana ho eo amin’ny toeran’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Notsindrian’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa misy ny masontsivana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ka ireo masontsivana ireo indrindra no nahatonga an’i Madagasikara nanolotra an’andriamatoa Richard Randriamandranto ho kandidà ho amin’izany fitantanana ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina izany. Manana ny traikefa ilaina amin’izany asa lehibe izany izy. Marihina fa Richard Randriamandranto dia Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, efa Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ihany koa, izay samy nahitana ny fahaizany. Tsy izay ihany anefa fa mahafeno ny fepetra ihany koa izy noho izy efa niasa nandritra ny 12 taona teo anivon’ny COMESA . Fantany tsara ny kaontinanta afrikanina sy ny firenena ao anatiny.
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Voafidy ho mpitarika politika mendrika eto Afrika ho an’ny taona 2024
Nanamarika ity taona 2024 ity ihany koa ny nahavoafidy an’andriamatoa Filoha Andry Rajoelina ho mpitarika politika mendrika eto Afrika ho an’ny taona 2024. Olona mitondra fiovana sy fivoarana, mampisongadina an’i Afrika, mitondra fampandrosoana maharitra ho an’i Afrika ary nanamafy ny toeran’i Afrika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, sy manana Haitarika miavaka eto Afrika no voafantina ao anatin’ny fifidianana hahazo ny fankasitrahana avy amin’ny African Leadership Magazine ho olona sangany indrindra eto Afrika ho an’ny taona 2024. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fifantenana ataon’ny African Leadership Magazine, toy ny eo ny sehatra politika, ny fanabeazana, ny fandraharahana, ny fanaovana asa soa, ny fahasalamam-bahoaka, sy ny maro hafa.
Isan’ireo Filoham-pirenena voafantina hofidiana ao anatin’ny sokajy Leader politique de l’année , mpitarika politika mendrika ho an’ny taona 2024 eto afrika ny filoha Andry Rajoelina. Nifaninana taminy ny Filohan’i Seychelles, sy ny Filohan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC). Nanomboka ny 29 novambra 2024 teo ny fifidianana ho an’ny daholobe anabaka, ary nifarana ny 12 desambra 2024 . Raha ny vokatra navoakan’ny tranonkalam-pifandraisana Africa Leadership magazine, dia mitarika lavitra amin’ny isam-bato ny Filoha malagasy, amin’ny salanisa 65,69%. Ny Filohan’i Seychelles kosa no nahazo ny toerana faharoa, ary fahatelo ny Filohan’ny RDC.
Hisy ny lanonana manetriketrika hanolorana amin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo sangany rehetra voafidy ho an’ny taona 2024 izay hotanterahina ao Casablanca Maroc ny 27 sy 28 febroary 2025.
Nangonin’i LR.



