PolitikaSongadim-baovao
TAONA VAOVAO 2021: Manao sesilany ny fiarahabana ny Filoham-pirenena
Amin’ny maha raiamandreny, lohan’ny Firenena azy, rariny raha tsarovana manokana ny Filoham-pirenena rehefa tonon-taona tahaka izao. Noho ny tsy fisian’ny lanonana tokana hanaovana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao dia saika manao sesilany ireo Andrimpanjakana, Rafitra isan-tokony, fikambanana, makeny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, mba hiarahaba ny Filohan’ny Repoblika amin’izao taom-baovao izao.
Ny avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ny Antenimieram-pirenena, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy, ny Akadémia Malagasy, sy solontenana Andrimpanjakana maro samihafa no tonga nifanesy niarahaba ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny tontolo andron’ny omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Araka izany, samy nitondra ny teny firarintsoa ho an’ny Filohan’ny Repobika avokoa ireo olo-manan-kaja ireto. Ny Filoha Andry Rajoelina kosa, tetsy ankilany, nampahery sy nandrisika ireto lehibena andrimpanjakana ireto amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo avy amin’ny antsakany sy andavany. Notsindriany fa na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny firenena tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika, dia tanjona amin’ity taona 2021 ity kosa ny fanaingana ireo asa fampandrosoana marolafy efa natao fanamby, ary aingana no hanatanterahana izany. Fotoana izay nanambarany fa ho hampahafantarina amin’ny vahoaka malagasy tsy ho ela intsony ilay drafi-panandratana an’I Madagasikara, izay handrakitra ireo paikadim-pampandrosoana atao eto Madagasikara amin’ny telo taona ho avy. Teo anatrehan’izany, nampahatsiahivin’ny Filoha nandritra ny fihaonana omaly teny Iavoloha ny anjara andraikitry ny tsirairay manoloana ireo fanamby goavana ireo. Tsy nohadinoin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny niantso ireo andrim-panjakana tsirairay mba hifanampy sy hifanome tanana eo am-panatanterahana izany fanamby iraisana izany dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Firaisankina ho an’ny fampandrosoana
Araka izany, tsy hisy ny lanonambe fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao fanaon’ny Fitondrana nifandimby. Kaonferansa lehibe momba ny PEM (Plan pour l’emergence de Madagascar) kosa no hasolo izany. Amin’io fotoana io no hanoloran’ny Filoha ireo drafi-panandratana ho an’I Madagasikara. Efa nisy vina sy fampanantenana maromaro rahateo efa notanisain’ny Filoha tamin’ny lahateniny tamin’ny faran’ny taona teo. Ity PEM ity, noho izany, no hitondra antsipiriany bebe kokoa mahakasika ireny tetikasa rehetra ireny. Andrandrain’ny rehetra, noho izany, ny hahatontosa ireo tetikasa rehetra. Ilàna fifanomezan-tanana anefa izany, araka ny efa ambetin-tenin’ny Filoha. Efa fanehoana firaisan-kina sy fiarahamientana ho an’ny fampandrosoana ny firenena, noho izany, ny fihetsika nasehon’ireto vahiny manan-kaja maro noraisin’ny Filoham-pirenena omaly ireto. Antenaina ny hitohizan’ny fitoviam-pijery amin’ny fampandrosoana ny firenena.



