KolontsainaSongadim-baovao
TAORIAN’NY VALANARETINA COVID-19…: Hafana ny fiatrehana ny fetin’ny Paska 2022
Roa taona isika no tsy afaka nankalaza ny paska ankalalahana noho ny fepetra ara-pahalasamana tsy maintsy noraisina, manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19. Nisedra izany isika ny taona 2020, tsy mbola afa-bela ihany koa ny taona 2021. Amin’izao fotoana, efa saika miverina amin’ny andavanandro ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Efa miverina ihany koa ny fikarakarana hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto. Hetsika goavana maro be, noho izany, no hiseho amin’ity fetin’ny paska 2022 ity.
Rehefa tsy afaka nanatontosa lanonambe sy fety goavana ny mpanakanto sy ireo mpikarakara lanonana nandritra ny fotoana naharitra, dia efa azo atao izany amin’ity taona ity. Raha tsiahivina, ny Filankevitry ny Minisitra, ny 23 Marsa 2022 teo no nankatoa ny famerenana ireo hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina rehefa hitan’ny Fanjakana fa tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny ny fepetra noraisina teo aloha. Arak’izany dia afaka miverina manatanteraka ireo hetsika ara-kolontsaina ireo mpanakanto. Miverina amin’ny laoniny ihany koa ny fivoriana ara-pivavahana, arapinoana. Marihina fa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, mihitsy no anisan’ny nanao adisisika ny hamerenana ireo hetsika ara-javakanto sy ny ara-kolontsaina ireo, noho ny fahatsapana ny fijaliana niainan’ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana nandritra izay roa taona mahery izay.
“Donan’ny samy ngeza” etsy amin’ny Coliseum
Amin’ny maha andron’ny paska ny rahampitso, maro ireo manao fandaharam-potoana ny hamonjy ireo trano fivavahana hanamarika izany. Ny andron’ny alatsinain’ny Paska kosa, tsy vitsy ireo fianakaviana nisafidy ny hamonjy toeram-pitsangatsanganana, rehefa tsy afaka nanao izany nandritra ny fotoana maro. Maro be ihany koa ireo nilaza ny hamonjy toerana somary miala kely ny renivohitra.
Etsy andaniny anefa, lanonana marobe ihany koa no hiseho amin’ity faran’ny herinandron’ny Paska ity. Isan’izany ny hetsika “Donan’ny samy ngeza” etsy amin’ny Coliseum amin’ny Alatsinain’ny Paska izao. Hanafana ny fiarahana i Big Mj, Dadi Love, Nael, Mijah, Tence Mena, Malm. Hanao ny fanentanana kosa i DJ Gouty, DJ Stitch – BAMS. Hisy battle Afro sy Coupé Décalé hahazoana loka maro. Hisy artiste tsy ampoizina koa ho avy, ary hisy zava-pisotro sy sakafo. 5 000ar ny vidim-pidirana, ary hisokatra amin’ny 08ora maraina ny vavahady.
Hetsika isankarazany
Hanamarika ity fetin’ny Paska ity koa ny fiverenan’ny hetsika “Star Tour” ao Antsirabe, izay manomboka amin’ity anio ity, hitohy rahampitso, ary tsy hifarana raha tsy ny alatsinain’ny paska. Mba hahafahana manome fahafahampo ny rehetra dia hisy ireo fampisehoana hifandimbiasan’i Samoela ny sabotsy 16, Ikala Vazo sy Mage 4 ny alahady 17 ary Ambondrona ny alatsinainy 18 aprily. Ankoatra ireo, dia hisy ny kermesse, fifaninanana isankarazany ary animation DJ sy toerana afaka isakafona sy ialana hetaheta eny an-toerana ho an’ireo mpitsidika.
Ankoatra ireo rehetra ireo, rahampitso alahady 17 Aprily 2022 dia hanafana ny fetin’ny paska ao amin’ny tranompokonolona Ambohitrimanjaka indray i Mijah, manomboka amin’ny 02ora tolak’andro. Hisy koa artista Surprise, araka ny fampahafantarana. Ary 5 000ariary ny vidim-pidirana. Ho an’ny ao Ambohidratrimo, Dyh-Ray, Ckojy, Odyai, Jess Flavi One, O’Black, Dom Rasolo, hiaraka amin’i Noely Sakelidalana, no hanafana ny fetin’ny paska, manomboka anio ka hatramin’ny alatsinainy. Hisy stand sy kilalao hafa maro ihany koa. Ao Atsimomparihy Ambohidratrimo no atao ny lanonana, izay hanomboka amin’ny 10ora maraina. Hisy artista tsy ampoizina, ary tsy misy ny vidim-pidirana.
Ampahany ihany ireo fa maro be tsy voatanisa ireo fety sy lanonana hiseho amin’ity fetin’ny Paska 2022 ity…




