Songadim-baovaoSosialy
TAPANY ATSIMO ATSINANAN’NY NOSY: Tokatrano miisa 22 000 hisitraka kabone ara-pahasalamana
Tanjona ny hanafoana araka izay tratra ny fangerena ankalamanjana eto amintsika hatramin’ny taona 2023, araka ny fanamby hapetraky ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka. Andalam-pahatanterahany izany ankehitriny. Vao omaly indray ny Minisitera no nandray ireo kabone ara-pahasalamana miisa 8 000 avy amin’ny Firenena Japoney, izay ho alefa any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany.
Ny Faritra Analanjirofo no Faritra mbola tena nanjakan’ny fangerena ankalamanjana kanefa voalohany indrindra afaka tamin’izany, tao anatin’ny fandaharanasa “Madagasikara Madio”. Mbola ho fanatanterahana io fandaharanasa io hatrany, fantatra koa ankehitriny fa tokantrano miisa 22 000 ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany no ho afaka hanatsara ny rafitry ny fidiovana sy ny fanadiovany, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo kabone ara-pahasalamana « SATO » (Safe Toilet) miisa 8000 avy amin’ny orinasa Japoney LIXIL. Fanomezana izay mitentina 26 000 Dolara, na 98 tapitrisa Ariary eo ho eo. Araka ny fanazavana, afaka misokatra sy mikatona ho azy ity fitaovana ity, ara-pahasalamana, sady mora diovina sy kojakojaina. Ankoatra ny fanomezana, mpitantan-draharaha eo an-toerana miisa 82 (44 avy ao Atsimo Atsinanana ary 38 avy ao Vatovavy Fitovinany) no nahazo fiofanana eo amin’ny famokarana « dalle san plat » amin’ny alalan’ny SATO ary koa ny fitantanana orinasa ny volana mey 2021 teo.
Hampiharana fomba fanao vaovao
Araka ny fanadihadihana farany natao, ny 40%-n’ny tokantrano manerana ny Nosy dia mbola mangery an-kalamanjana avokoa. Ny 17%-n’ny mponina ihany no mampiasa fitaovana fanadiovana ary ny 23% no manana fitaovana fanasana tanana amin’ny rano sy savony. « Amin’ny alalan’ny fandaharanasa Madagasikara Madio, efa maro ny ezaka natao manerana ny faritra entina hanafoanana ny fangerena an-kalamanjana hatramin’ny taona 2023. Ny 24, 9%-n’ny mponina ao Atsimo Atsinanana sy ny 35%-n’ny mponina ao Vatovavy Fitovinany ihany no misitraka ny fanadiovana tsotra. Noho izany, ezaka manokana no natao tamin’ireto faritra ireto, indrindra ho an’ireo vehivavy satria ny 8%-n’ny vehivavy dia tsy afaka mandray anjara amin’ny hetsika ara-tsosialy na miasa rehefa tonga fadimbolana, ary ny 14%n-n’izy ireo dia tsy manana ireo fitaovana mifanaraka amin’ny ao an-tokantrano sy toerana voatokana hiantohany ny fidiovana, ny fahamendrehana amin’ny fadimbolany. Ny fampiasana ireo kabone ara-pahasalamana SATO dia afaka hampiharana ny fomba fanao vaovao », hoy hatrany Ramatoa Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa.
Nandritra ny lahateniny kosa, nilaza ny Masoivohon’I Japon miasa sy monina eto amintsika, HIGUCHI Yoshihiro, fa ny Firenena Japoney dia vonona hatrany hanome araka ny fahafahany ho fanohanana an’i Madagasikara satria “resy lahatra izahay fa ny fahasalamana, ny fidiovanana ary ny fanadiovana iombonana no ivon’ny fampandrosoana iraisana izay tokony hotazomin’i Madagasikara », hoy ny fanazavana.



