PolitikaSongadim-baovao

TATITRY NY FILOHAN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA : Azo tsapain-tanana ny fampandrosoana ao Ambatofinandrahana

Tafiditra tanteraka ao anaty anjara andraikitry ny Solombavambahoaka ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka nifidy, mba tsy haha tompon-trano mihono azy ireo amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ho an’ny Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana manokana, ny faran’ny herinandro lasa teo ny tenany no nihaona tamin’ny vahoaka. Fotoana izay nanaovana ny tatitra ny asa vita rehetra sy ny mikasika ny fivoriana ara-potoana farany teo.

Nanatanteraka tatitra tamin’ny vahoaka tao Ambatofinandrahana ny Depiote voafidy tany an-toerana, Razanamahasoa Chritsine, izay sady Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny faran’ny herinandro. Tatitra izay niompana betsaka tamin’ny asa vita tany an-toerana sy ny mikasika ny fivoriana ara-potoana farany teo. Amin’ny ankapobeny, misongadina sy azo tsapain-tanana ny asa fampandrosoana ao amin’ny tanànan’Ambatofinandrahana, araka ny tatitra. Tafiditra anatin’ireo asa efa vita 100% ohatra ny Toby miaramila manaram-penitra goavana avo Ambohitsaony any an-toerana. Etsy ankilany, efa vita ihany koa ny Biraon’ny Parlemanta, miaraka amin’ny Biraon’ny Serasera sy Kolontsaina ao amin’ny Delegasiona Ambatofinandrahana. Ankoatra ireo, efa manomboka ihany koa ny asa fanamboarana ny CSB manaram-penitra ao Maroanakomby Kaominina Mandrosonoro. Toy izany koa ny asa fanamboarana ny Clapet ao Bemahazemona Ambondromisotra izay efa manomboka tanteraka. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, tsy diso anjara tamin’ny fisitrahana fitaovam-pianaranana ny mpianatra tao amin’ny Cisco Ambatofinandrahana. Manampy ireo, efa nahazo Jiro Cobra ny Kaominina Ambatofinandrahana, ary efa mandeha ihany koa ny Wifi maimaimpoana.

Hamboarina ny lalam-pirenena faha-35

Ho an’ity Distrika ity manokana, efa voapetrapetraka avokoa ireo tetikasa goavana rehetra ho atao amin’ny taona 2021. Isany lehibe indrindra amin’izany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-35 mampitohy an’Ivato sy Malaimbandy. Araka ny fanazavana, famatsiam-bola mitentina 20 miliara ariary avy amin’ny BAD no hahafahana miroso amin’izany. Etsy ankilany, amin’ny taona ho avy io ihany koa ny hahazo kianja manaram-penitra Ambatofinandrahana. Mifanindra an-dalana amin’izany ny fahazoana tsena manaram-penitra. Hamboarina tsy ho ela ihany koa ny famatsiana Rano fisotro madio eo antampon-tanàna. Ankoatra ireo, hahazo Lycée Manarampenitra ny Kaominina Amborompotsy. Ary harenina ny Magrama. Fantatra ihany koa fa hisokatra amin’io taona ho avy io ny fampianarana ampitain-avitra CNTEMAD ho an’ny Distrika Ambatofinandrahana. “Maro ireo fotodrafitrasa hisitrahan’ny Kaominina rehetra, fiaraha-miasa eo amin’ny Governora sy Distrika, saingy tsy vitany irery fa mila ny fifanomezan-tanan’ny tsirairay” hoy Ramatoa solombavambahoaka.

Fermer