PolitikaSongadim-baovao

TATITRY NY “PAC” TAONA 2024: Mitentina 11 miliara Ariary ny volam-panjakana voahodinkodina

Ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanararaotam-pahefana no nisongadina indrindra tamin’ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC), mikasika ny asa vitany ny taona 2024…

Nandritra ny tatitra nataon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC), omaly, teny 67Ha, no nahafantarana fa vola mitentina 11 miliara Ariary ny volam-panjakana voaodinkodina, ny taona 2024. Nidina izany raha oharina ny antontanisa voaray tamin’ny taon-dasa, izany hoe ny tatitra taona 2023, izay nahatratra 44 miliara Ariary. Midika io antontanisa io, fa nahitana fitandremana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary tafita tamin’izy ireo ny fampitandremana natao teo amin’ny fomba fitantanana ny volam-panjakana, raha ny nambaran’ny Mpandrindra nasionalin’ny PAC, Rabarijaona Rivo. Ankoatr’io, dia nisongadina tamin’ity tatitra natao omaly ity ihany koa, ny endrika “fanararaotam-pahefana” nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary maro ireo raharaha mikasika izany voarain’ny PAC ny taon-dasa. Anisany nisongadina ihany koa, ny raharaha maha voasaringotra Ben’ny tanàna maromaro, teo amin’ny fomba fitantanana ny kaominina amina ara-bola. Manoloana izany, dia nambaran’ny tompon’andraikitra ity, fa tokony hamafisina ny fampahalalana ny Ben’ny tanàna ny fomba fitantanana sy fitarihana, mba hisorohana ny fiakaran’izy ireny eny anivon’ny fitsarana. Na izany aza, voalaza fa tokony hahalala lalàna ireo Ben’ny tanàna, mba tsy hampanaonao foana azy ireny. Marihina moa, fa manana andraikitra amin’ny fampahalalana sy fanofanana azy ireny, ny Fitsarana ara-bola, sy ny Antenimierandoholona, izay miahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay efa nanao ezaka lehibe hatramin’izay.  Ny PAC ihany koa, dia naneho ny fahavononany hatrany, hanampy azy ireny mba hisorohana ny fiakaran’izy ireo eny amin’ny fitsarana.

Voafetra ny fahefan’ny tendrom-pitsarana PAC…

Mikasika ny fahefan’ny tendrom-pitsarana PAC, manoloana raharaha somary nalazalaza tato ho ato ireny, tranga izay efa nisy hatramin’izay toy ny fanondranana volamena sns, raha misy resaka famotsiam-bola ilay raharaha dia andraikitry ny PAC ny fandraisana ireo antontan-taratasin-draharaha mikasika izany, hoy ny tompon’andraikitra. Manana fahefana hitsarana famotsiam-bola ny PAC, araka izany. Eo anatrehan’ny fahataran’ny raharaha iray indray, dia nambaran’ny Mpandrindra nasionalin’ny PAC, fa miezaka mikirakira ireo antontan-taratasin-draharaha hatrany ny PAC. Raha tsy mbola mandeha kosa ilay raharaha, dia misy ny fanadihadiana mandeha mangina, toy ny dosie alefa hifandraisana amin’ny any ivelany ankoatra ny eto an-toerana, hoy ny fanazavana. Marihina, fa ny antontan-taratasin-draharaha avy amin’ny “Police Judiciaire” dia raisiny sy anjara asan’ny PAC avokoa, dia izay rehetra mamofona kolikoly sy ny manodidina azy. Na izany aza, mbola mahatsiaro fahasarotana eo am-panatanterahana ny asany ny PAC, eo anatrehan’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny enti-manana, raha ny fanazavana. Na izany aza, miezaka hatrany manodina ny asa ny eo anivon’ny Fitaleavam-pandrindrana nasionaly. Nanatanteraka tatitra ampahibemaso ny asa vitany nandritra ny taona 2024 ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC).

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer