Songadim-baovaoSosialy
TAZOMOKA ANY IKONGO: Mandeha ny fitsaboana, nohamafisina ny fanentanana
Olona ampolony maro, anjatony mihitsy aza raha ny loharanom-baovao hafa, no voalaza fa efa matin’ny aretina tazomoka any amin’ny Distrikan’Ikongo, tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Hatreto, mbola tsy nisy ny antontanisa ofisialy avy amin’ny Governemanta mahakasika izay isan’ny maty izay, fa araka ny tatitra fotsiny dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Arivelo Randriamanantany, niaraka tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny minisitry ny Mponina, omaly, tany amin’ny Distrikan’i Ikongo, nijerena ny zava-misy marina any an-toerana, ary nitondrana vahaolana ihany koa mifandraika amin’ny olana misy.
Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, araka izany, izay nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly hariva, fa efa misy ny « surveillance électronique » sy ekipa manokana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay manara-maso any ifotony. Vokatr’izany no nahafahana namantatra fa miakatra ny tahan’ny aretina tazomoka tamin’ny kaominina maromaro ao Ikongo. Vantany vao nahazo izany vaovao izany, dia nandefa fanafody sy nanomboka ny hetsika “Fahasalamana mitety vahoaka” ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nanomboka ny 9 mey lasa teo. Nandritra izany no nahafantarana fa olona 1356 no voamarina ho mitondra ny tsimok’aretina tazomoka.
Tsy matory anaty lay!
Nilaza ny minisitra fa ny iray amin’ireo antony lehibe nahatonga ity fiakaran’ny tazomoka ity dia ny fiakaran’ny voka-bary. Betsaka amin’ny mponina no mijanona eny an-tsaha, tsy matory anaty lay intsony, noho ny tahotra mety hahavery vokatra. Ankoatra ny fitsaboana, nanao fanentanana sy fampahafantarana lalina eny anivon’ny vahoaka ny ekipan’ny fahasalamana mba hampiroboroboana ny fisorohana. Nambaran’ny minisitra fa ampy tsara ny fanafody ho an’ny marary. Nanentana ny vahoaka koa izy mba hampiasa tsy tapaka ny lay hiarovana amin’ny moka, hanatona tobim-pahasalamana, ary hanaraka tsara ny toro-hevitra omen’ny mpitsabo.
Ny Fanoratana.



