PolitikaSongadim-baovaoToekarena

TETIBOLAM-PANJAKANA 2021 : Hiompana betsaka amin’ny fanarenana indray ny toekarena

Niantraika betsaka teo amin’ny sosialimbahoaka sy ny lafiny toekarena teto Madagasikara ny nandalovan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Voakasik’izany avokoa ireo sehatrasa rehetra. Antony tsy maintsy hitodihan’ny tetibolam-panjakana 2021 bebe kokoa any amin’ny lafiny sosialy sy ny toekarena, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, omaly. Ho entina eo anatrehan’ireo parlemantera roa tonta ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 amin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny Parlemantera izao.

Araka ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana, mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena, ny talata voalohan’ny volana mey no fivoriana ara-potoana voalohany, ary ny talata fahatelon’ny volana oktobra kosa ny fivoriana ara-potoana faharoa. Araka izany, nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny toeram-pivoriana CCI Ivato ny fivorian ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena. Fivoriana izay andaniana indray ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021, araka ny fanazavan’ny Filohan’ity andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine. Ity farany izay nanamafy fa tokony hitodika bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy sy ny toekarena ity tetibolam-panjakana 2021 ity, taorian’ireny krizy nateraky ny Covid-19 ireny. Nambarany, noho izany, fa manana adidy amin’ny fandinihina io volavolan-dalàna io ireo solombavambahoaka. Fotoana izay nilazany fa ilaina ny hevitry ny avy any amin’ny fanoherana, amin’ny fandinihana izany, mba ho tombontsoan’ny firenena amin’ny ankapobeny.

« Plan Mutlisectoriel d’urgence »

Mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Randriamandranto Richard, fa hiompana betsaka amin’ny lafiny toekarena ny tetibolam-panjakana 2021. Na izany aza, tsy maintsy jerena, hoy izy, ireo laharampahamehana amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Efa eo ampandaniana ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 ity ny Filankevitry ny Minisitra, hoy ny fanazavana, ary haroso eny anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimerandoholona avy eo. Araka ny fanazavan’ny minisitra, hisy fandaminana vaovao hatao amin’ny tetibolam-panjakana satria tamin’ny faraparan’ity taona ity, dia nisy ny fandaniana natao tamin’ny « Plan Mutlisectoriel d’urgence », izay nahazoan’I Madagasikara fanampiana ara-bola betsaka. Misy ampahany amin’izany efa nampiasaina tamin’ity taona ity, misy koa ampahany ampisaina amin’ny taona ho avy. Izany hoe, misy ny hoenti-manana hahafahana miroso amin’ny fanatanterahana ny “Plan multisectoriel d’urgence”, izay mitondra mankany amin’ny drafitra fanarenana indray ny toekarena.

Programanasa hiarahana amin’ny FMI

Etsy ankilany, hiroso amin’ny programanasa vaovao hiarahana amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny Fanjakana malagasy, hoy ny minisitra. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny tale jeneraly lefitry ny FMI sy ny minisitra tompon’andraikitra. Fotoana izay nandinihana ireo tetikasa sy laharampahamehana eo amin’ny lafiny toekarena azo tanterahina eto Madagasikara. Hodinihana eo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny fomba hahafahana miroso amin’izay programanasa vaovao izay, hoy ny fanazavana. Nampanantena, noho izany, ity tompon’andraikitra ity fa raha lany soamantsara eo anivon’ny filankevitry ny tahirimbola iraisam-pirenena io programanasa io, amin’ny taona ho avy, dia hisy ny famatsiam-bola hahafaha-miatrika ny telo taona manaraka.

Fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena

Mavesabesatra ny fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena, hoy Filohany. Ankoatran’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mantsy, dia hodinihina ihany koa ny volavolan-dalàna laharana 010-2020, tamin’ny 24 Jona 2020. Eo koa ny fijerena ireo tolo-dalàna efatra avy amin’ireo solombavambahoakan’I Madagasikara. Ary farany ireo volavolan’antontan-kevitra miisa telo.

Fermer