PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLAM-PANJAKANA 2021 : Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny antenimiera roa tonta

Nilefitra tamin’ny fanitsiana nentin’ny Antenimieram-pirenena ireo senatera omaly. Nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina, niaraka tamin’ireo teknisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola no nandanian’ireo senatera maro an’isa ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021, tamin’ny endrika nandanian’ny depiote azy.

Lany teny amin’ny Antenimieran-doholona omaly ny volavolan-dalana laharana 016/2020, ny 30 Oktobra 2020, mifehy ny tetibola 2021, nandritra ny fandinihana fanindroany nataon’ireo Loholona. Raha tsiahivina, tsy maintsy nandalo famakiana narahana fandaniana fanindroany teny amin’ny Antenimieram-pirenena, ny Sabotsy 12 desambra 2020 teo, ity volavolan-dalàna ity satria nanolotra fanintsiana telo ireo Loholona. Anisan’izany ny fangatahana ho fampiakarana ho 20% ny Hetra alaina amin’ny entona fandrehitra raha toa ka 5% no natolotry ny Governemanta.

Nisy, araka izany, ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo tale jeneraly sy teknisianina avy ao amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola izay niara-nisalahy tamin’ny famolavolana io volavolan-dalana io, sy ireo Loholon’I Madagasikara. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandaniana avy hatrany ny Loholona. Nanaiky ny maro an’isa tamin’ireo Loholona, 22 nanaiky raha 16 nandà, fa dia ny volavolan-dalàna natolotry ny Governemanta niampy fanitsiana iray avy amin’ireo solombavam-bahoaka no holaniana. Fanitsiana izay mahakasika ny fanafoanana ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) amin’ny fivarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara mba ho tantsoroka amin’ny fananganana tahirim-bolamenan’ny firenena.

Antoka amin’ny fampandrosoana…

Tsara ho fantatra fa hatramin’ny fotoana farany handaniana ity volavolan-dalàna ity teo anivon’ny Antenimierandoholona dia nisy hatrany ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo samy Loholona. Na izany aza, nilamina tamin’ny ankapobeny ny fandaniana izany. Marihina fa aorian’izao dia hatolotry ny Antenimierandoholona ho dinihina eny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ity volavolan-dalàna ity.

Amin’ny ankapobeny, na nisy aza ny fanitsiana nentin’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, azo ambara ho antoka amin’ny fampandrosoana sy ny fanarenana indray ny toekarena ity tetibolam-panjakana ity. Ho an’ny taona 2021 manokana, fanamby lehibe no miandry ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialimbahoaka taorian’ny krizy ara-pahasalamana nandalovan’ny firenena tamin’ity taona ity. Maro ny paikady sy drafitra efa voapetrapetraka hahafahana manatanteraka izany. Ny tetibola isaky ny departemanta isan-tsokajiny koa efa voarindra mifanaraka amin’izany. Antenaina, noho izany, ny hitohizan’ny asa fampandrosoana efa nisy nanomboka tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny lafiny sosialy manokana, isaky ny ezaka lehibe azo tsapain-tanana ny fanaovana maimaimpoana ny saram-pidirana any an-tsekoly nataon’ny Fanjakana. Mifanindra an-dalana amin’izany koa ny fizarana fitaovam-pianarana maimaim-poana ho an’ny mpianatra. Hitohy ihany koa anefa ny fananganana ireo fotodrafitrasa manarapenitra ho an’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Ampahany ihany io fa betsaka io fepetra ara-tsosialy noraisin’ny Fanjakana ao amin’ity tetibola 2021 ity.

Fermer