PolitikaSongadim-baovao
TETIBOLAM-PANJAKANA 2021 : Nahazo ny fankatoavan’ny HCC
Araka ny fanapahana laharana 18-HCC/D3 tamin’ny 24 desambra 2020 mahakasika ny lalàna laharana 2020-013 mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021, navoakan’ny HCC ny herinandro teo, dia manaraka ny lalàmpanorenana ny tetibolam-panjakana 2021, ary afaka manankery avy hatrany. Nahazo ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana noho izany ity tetibolam-panjakana ity. Ary nitondran’izy ireo fanazavana avokoa ireo teboka niadiana hevitra rehetra momba ity lalàna ity. Eny fa na dia ny fomba nandaniana azy aza, izay nitondran’ny Solombavambahoaka mpanohitra fanakianana mavaivay tamin’ny filazana fa fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana no nataon’ny Depiote maro an’isa teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nilaza ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa fe-potoana farafahabetsany no napetraky ny lalàmpanorenana fa tsy hoe fe-potoana tsy maintsy laniana akory, raha ny fomba fandaniana ny tetibolam-panjakana no asian-teny. Dikany, tsy midika ho fanitsakitsahana ny lalàm-panorenana velively ny fandaniana azy mialohan’io fe-potoana io.
Na izany aza anefa, nisy ihany fepetra napetraky ny HCC ny amin’ny tokony hanaovan’ny Antenimiera roa tonta fanarahamaso ny fandaniam-bola ao anatin’ny fampiharana ity tetibola ity. Notsindrian’ny HCC ihany koa fa tokony hampiasa amin’ny tokony ho izy ny fahefana hananan’izy ireo ny Parlemantera, amin’ny fankatoavana sy fanaovana adihevitra lalina amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary izany dia ao anatin’ny fotoana voafaritry ny lalàmpanorenana. Mbola nametrahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fanamarihana koa, tetsy ankilany, ny mahakasika ny tokony tsy hifanipahan’ny fanapahana izay raisin’ny Cours des comptes amin’izay voalaza ao anaty Tetibolam-panjakana, ary koa, tokony hanaraka hatrany ny tanjona izay napetraka ny fandaniambola rehetra. Fanantenana vaovao amin’ny asa fampandrosoana ho an’ny taona 2021 indray araka izany, iny fanapahan-kevitry ny HCC iny. Ny Filoha rahateo efa nilaza fa ho taonan’ny asa goavana ny taona 2021, ka samy miandrandra ny fanatanterahana izany ny rehetra. Ny tetibola hiasana rahateo efa nahazo ny fankatoavan’ny HCC.




