PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TETIBOLAM-PANJAKANA 2025 : Nolanian’ny Solombavambahoaka omaly teny Tsimbazaza
Tao anatin’ny asam-baomiera natao ny Alarobia sy ny Alakamisy dia nisy ny fanitsiana nentin’ny Governemanta tamin’ny PLFI 2025. Omaly dia nentin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan’ireo Solombavambahoaka izany ka lany tsy nasiana fanitsiana sy tsy nisy fanovana.
Araka izany, raha eo amin’ny lafiny ara-toekarena, dia voatazona ny vinavina ny harinkarena faobe ho 5% amin’ny taona ho avy, izay azo avy amin’ny seha-pihariana voalohany sy faharoa ary fahatelo. Eo amin’ny lafiny fampidiram-bola anatiny, dia 5 628,4 Miliara Ariary ny vinavina ho vola azo avy amin’ny alalan’ny hetra anatiny. Izany dia ahitana fitomboana 21,39% raha ampitahana amin’ny taona 2024. Mazava ny tanjona dia mba ho Fanjakana mahaleo tena isika amin’ny alalan’ny hetra, izay mitaky fanamafisana ny lalàna ara-ketra sy ny fitantanana mangarahara ary manaraka ny toetr’andro.
Mahakasika ny « Taxe sur la Transaction Mobile », taorian’ny firesahana maro niarahana tamin’ny “Etablissement de Monnaie Electronique” na EME, dia tapaka fa tazomina ny hetra fa novaina ny fomba fikajina azy. 0,5% tamin’ny sandan’ny « transaction » izay voasoratra tao amin’ny volavolan-dalàna izay naroso tamin’ny voalohany ary efa nitondra fanitsiana isika araky ny fangatahan’ny EME ka lasa 5% amin’ny « chiffres d’affaires » izay azo amin’ny alalan’ny « Commission ». Ny Fanjakana kosa dia hametraka rafitra mpanaramaso an’izay « chiffres d’affaires » izay.
Eo amin’ny lafiny fampidiram-bola amin’ny habantseranana kosa indray, dia 4 366 Miliara Ariary ny vinavinam-bola hiditra amin’ny alalan’ny Fadintseranana. Ka teboka telo no napetraka hanatanterahana izany : Fampiharana ny Fepetra ara-panjakana na « mesures administratives »; Fanovana vitsivitsy ny fehezan-dalàna momban’ny Fadintseranana na « Code des Douanes »; ary Fanovana ny lazam-bidy.
Raha ny lafiny fandaniam-bola rehetra kosa na ny « dépenses publiques », dia ahitana fihenana 764,6 Miliara Ariary ny fandaniana ao amin’ny fampandehanan-draharaha raha toa ka ahitana fiakarana ny fampiasam-bola na « investissements » izay mitentina 3 745, 4 Miliara Ariary. Marihana fa nisy ny fampiakarana ny tetibola ho an’ireo Minisitera, anisan’izany ny : Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo; Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana; – Minisiteran’ny Rano; – Minisiteran’ny Asa Vaventy; Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka; Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina; – Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena.
Anio no haroso eo anivon’ny Antenimierandoholona ny PLFI 2025.
Ny Fanoratana.



