PolitikaSongadim-baovao
TETIBOLAM-PANJAKANA (PLFI 2023): Hanomboka hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena anio
Araka ny fandaharam-potoana efa voafaritra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia amin’ity anio ity no atao ny famelabelarana ankapobeny ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI) ho an’ny 2023, izay ataon’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina. Hitohy amin’ny asam-baomiera isan-tsokajiny ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity, mialohan’ny handaniana azy amin’ny fivoriana itambaram-be.
Araka ny voafaritra ao amin’ny Lalàmpanorenana dia natokana handinihina ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona hoavy ny fivoriana faharoan’ny Antenimieram-pirenena. Ho fanajana izay voalazan’ny lalàna dia hamelabelatra eo anoloan’ireo Solombavambahoaka rehetra anio ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola ny momba ny volavolan-dalàna ifehezana ny fitantanam-bola amin’ny taona 2023. Isan’ny fototra iankinan-javatra maro ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny maha taom-pifidianana ny taona 2023. Araka ny angom-baovao dia natodika indrindra hifanaraka amin’ny Vina efa napetraky ny Fitondram-panjakana ao amin’ny Planina Enti-Mampandroso an’i Madagasikara ny fomba nandrafetana ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023. Nomena vahana manokana ny politika fampiroboroboana ny indostria, ny fizahan-tany, ny angovo azo havaozina ary ny fambolena sy ny fiompiana.
Fitombon’ny harinkarena 4,9%
Tsara ho fantatra fa tombanana ho 4,9% ny fitombon’ny Harinkarena faobe ho an’ny taona 2023, raha ny voarakitra ao anatin’ny PLFI 2023. Ireo fampiasam-bola maro isan-karazany izay hanomboka na hifarana ny taona 2023 (fampiasambola ataon’ny fanjakana ary iarahany amin’ny sehatra tsy miankina) dia tokony hahatratra izany vina napetraka izany, araka ny fanazavana. Isan’ny tetikasa atao ny fanajariana sy fanondrahana ireo faritra fambolena izay tokony hampiakatra ny tahan’ny famokarana ara-pambolena, toy ny vary, izay vinavinaina hiakatra 9% ny famokarana azy. Marihina fa 0,9% ny fitombon’ny taham-pamokarana teo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ity taona 2022 ity, raha toa ka 3,8% no novinavinaina tao anatin’ny LFR 2022. Ho an’ny taona 2023 kosa, hifantoka amin’ny fanomezan-danja ireo tetikasa hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo ny Governemanta, ka tombanana ho 2,3% ny fitombon’ny famokarana.
Indostria sy Fizahantany
Etsy ankilany, tombanana ho eo amin’ny 14,7% eo ny fitombon’ny famokarana eo amin’ny tontolon’ny indostria. Izany dia noho ny ezaka amin’ny fanohizana ireo hetsika fametrahana indostria (fanokafana orinasa mamokatra siramamy sy simenitra, sy famoronana « zone d’émergence industrielle ») izay ahafahana mampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Eo koa ny fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa fitaterana sy ny serasera ary ny fampandrosoana sy fanamorana ny tolotra angovo mba hanome vahana kokoa ireo fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina. Ho an’ny harena an-kibon’ny tany manokana dia tokony hampiharina ny lalàna vaovao mifehy azy mba hahafahana mamelona indray ny asa sy ny tombony azo amin’io sehatra io 2023 sy hisarihana ireo mpamatsy vola, araka ny fanadihadiana.
Ankoatra izay, hanamarika ny taona 2023 ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara. Noho izany, tokony hiverina hiroborobo ny fizahantany. Efa nisokatra tanteraka ihany koa ny sisin-tany ny telovolana voalohan’ny taona 2022. Mikendry ny Minisiteran’ny Fizahantany fa tokony ho tafakatra tamin’ny isa azo tamin’ny taona 2019 ny isan’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara ho an’ny taona 2023, dia manodidina ny 300 000 isa izany. Tokony hampiakatra hatrany amin’ny 30,2% ny fidirambolan’ireo hotely lehibe sy trano fandraisam-bahiny eto amintsika izany, ho an’ny taona 2023.
Fandaniam-bolam-panjakana
Tetsy ankilany, nisafidy ny hampihena ny fandaniambolam-panjakana ho an’ny fampandehanan-draharahan’ireo Andrimpanjakana sy ny Minisitera ny Governemanta ho an’ny taona 2023, araka ny voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023. Tsy hisy fampiakarana, araka izany, io fandaniambolam-panjakana io, ankoatran’ny tambin-karaman’ireo lehiben’ny fokontany izay hiakatra 20 000 Ariary isan’olona.
Tsara ho fantatra fa ao anatin’ny PLFI 2023 dia misy ireo fepetra fanalefahan-ketra isan-tsokajiny, hanomezana tontolom-pihariana tsotra sy mahomby kanefa azo antoka ho an’ny mpandraharaha. Voarakitra ao anatin’ity volavolan-dalàna ity ihany koa ny mahakasika ireo olona miisa 9 498 horaisina ho mpiasam-panjakana, ka omena vahana amin’izany ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, ary ny filaminam-bahoaka.
Ny Fanoratana.




