Songadim-baovaoSosialy
TETIKASA « AQUA-KERE RESILIENCE » : Olona maherin’ny 2 000 isan’andro hisitraka rano ao Atsimo Andrefana sy Androy
Taorian’ny fikaonan-doham-pirenena natao tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy, ny taona 2021 teo, manao sesilany ireo mpiara-miombona antoka iraisampirenena manolo-tanana ny Fanjakana Malagasy amin’ny fanatrarana ny tanjona, dia ny hanafoanana ny kere any an-toerana. Isan’ireo miditra an-tsehatra manao asa any Atsimon’ny Nosy ihany koa ankehitriny ny “Groupe Enara”, izay miara-miasa amin’ny Fikambanana « Défi Madagascar », sy ny Fikambanana « Manampy », ao anatin’ny tetikasa « Aqua-Kere Resilience ».
Ity tetikasa ity dia miompana amin’ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny ampahany betsaka amin’ny mponina any Atsimo, indrindra ny ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy. Nosafidiana manokana ireo toerana tena miaina ao anatin’ny Kere sy ny haintany, araka ny fanazavana. Fomba fahazoan-drano vaovao amin’ny alalan’ny fanaovana lava-drano, mihodina amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro no ampiasaina amin’izany. Ary vinavinaina hamokatra rano 100metatra³ isan’andro. Araka ny fampitam-baovao hatrany, mponina manodidina ny 2000 isan’andro no hisitraka rano fisotro madio. Ary ao anatin’ny dimy taona dia vinavinaina ho tonga hatrany amin’ny 100 000 ireo olona hahazo tombontsoa amin’izany.
Tontosa tetsy Alarobia omaly ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Groupe Enara sy ny Association Défi Madagascar ary ny Association Manampy, izay nanamarihana ny fanombohan’ny tetikasa ihany koa. Nanatrika izany ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana, Andriamatoa Ladislas Adrien Rakotondrazaka, ny Filoha Tale Jeneralin’ny Groupe Enara, Andriamatoa Cherif Magdy Elgabaly, ny Filohan’ny Fikambanana Défi Madagascar, Ramatoa Volanirina Andriamananoro, ary ny Filohan’ny Fikambanana Manampy, Ramatoa Tina Raharison.




