Songadim-baovaoSosialy

TETIKASA « AVOTSE » ANY ATSIMO: Tafajoro ny EPP ao Behodatse sy Ankazombalala

Manatanteraka fitsidiham-paritra any Atsimon’ny Nosy amin'izao fotoana izao ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika sady Filohan'ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Tamin’ny andro voalohany omaly, efa nisy sahady ny fitokanana EPP tao Behodatse sy Ankazombalala, izay tafiditra ao anatin’ny Tetikasa Avotse hiarahana amin’ny mpiara-miombona antoka samihafa.

Efa-bolana taorian’ny fanaovan-tsonia tamin’ny mpiara-miombona antoka marobe dia niroso tamin’ny fitokanana EPP tao Behodatse sy Ankazombalala, Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy omaly Ramatoa Mialy Rajoelina sy ireo mpiara-miombona antoka. Tafiditra anatin’ny tetikasa Avotse ho fanampiana ny mponina ianjadian’ny kere sy tsy fanjarian-tsakafo avokoa izany hetsika izany. Tsara ho fantatra fa i Behodatse sy Ankazombalala dia Fokontany roa ao anatin’ny Kaominina Anjampaly, Distrikan’i Tsihombe. Ireo Fokontany ireo ihany koa no voasokajy ho isan’ny mizaka mafy ny kere sy mosary ato anatin’ny Faritra Androy, araka ny fanazavan-dRahantanandrasana Viete Guerine, Chef d’arrondissement Anjampaly sy Faux Cap.

Olana hafa nosedrain’ny mponina ihany koa ny faharatsian’ny fotodrafitrasam-pampianarana. Tafo bozaka no nisy teo aloha ho an’ny EPP Behodatsy ka rehefa fotoanan’ny orana dia voatery mitsahatra 2 na 3 volana ny fampianarana. Manampy trotraka koa ny hanoanana ka mampihena ny tahan’ny fandehanana an-tsekoly, araka ny nambaran’ny Talen’ny EPP Behodatse, Mananjato Jerome Emilien. Miantraika mivantana amin’ny voka-panadinana anefa izany toe-javatra izany, araka ny nambarany hatrany. Ho an’ity taona ity, 63,63 % ny taha-pahafahana CEPE, raha ny tatitra.

Fizarana Koba aina sy “Vary sy Laoka”

Ho an’i Behodatse sy Ankazombalala manokana, anisan’ny vahaolana nentin’ny OIT, ny Fikambanana Fitia sy ny Fondation VISEO ny fanamboarana sekoly EPP vaovao ary nomena tombondahy fanomezana asa vokatr’izany ny zanaky ny Distrikan’i Tsihombe. Tsara tsindriana fa na ny ady amin’ny kere, na ny ady amin’ny fialana an-daharana an-tsekoly sy ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, na ny fanomezana zo ho tsaboina ny mponina any Atsimo dia samy tafiditra avokoa anatin’ny Tetikasa Avotse izay novolavolain’ny Fikambanana Fitia avokoa ary iarahany miasa amin’ny Mpiara-miombona antoka marobe izay nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny Marsa 2021 teo, teto Antananarivo.

« … Tadifiditra anatin’io tetikasa io ny fananganana sekoly manarapenitra toy izao. Hitako sy reko fa tsy zarizary ny efitrano ianaran’ny ankizy aty. Misy mihitsy aza ny mianatra eny an-tokontany, na amin’ny toerana maloka sy eny ambany hazo eny. Sakana lehibe tsy ahafahan’ny zanantsika mifantoka amin’ny fianarana ny mosary ary nahakasika ny foko ny nahita sy naheno izany toejavatra izany. Izany indrindra no antom-pisian’ny « cantines scolaires » maimaimpoana izay mamatsy koba aina isaky maraina ary vary sy laoka ny atoandro« , hoy ny ampahany tamin’ny kabarin-dRamatoa Mialy Rajoelina, omaly.

Fitsaboana manantona ifotony

Marihina koa fa nanomboka ny Alatsinainy 12 jolay 2021 lasa teo hatramin’ny anio 21 Jolay 2021 dia nisy hatrany ny fitsaboana manantona ifotony nokarakarin’ny OMS izay miara-miombon’antoka amin’ny Fikambanana Fitia anatin’ny tetikasa Avotse. Io hetsika io izay natao ho fisorohana ny aretina sy fahazoana fahasalamana malaky ho an’ny Reny sy ny zaza ahitana fanentanana maro : fanasana tanana, fampiasana lavapiringa madio, fampiasana rano madio, fiarovana amin’ny tazomoka ho an’ny reny bevohoka, fitsaboana haingana ny zaza manavy, fampiasana lay misy odi-moka, fampiasana fandrindram-piterahana, fisafoana ho an’ny vehivavy bevohoka, fiterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana, fanomezana nonon-dreny ho an’ny zaza latsaky ny enim-bolana, fanaraha-maso ny lanjan’ny zaza latsaky ny 5 taona, fitsaboana haingana ny fivalanana sy ny aretin’ny taovam-pisefoana.

Fermer