Songadim-baovaoSosialy
TETIKASA AVOTSE: Nanolo-tanana ny Fikambanana Fitia ny Fondation Viseo, ny OIT ary ny OMS
Tontosa ny omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena, ny Association Fitia, ny OIT ary ny Fondation Viséo. Tetikasa izay miompana indrindra amin’ny fampisakafoana an-tsekoly sy fananganana fotodrafitrasa manara-penitra ho an’ireo EPP any amin’ny faritra « Androy » sy « Anosy ». Marihina fa haharitra telo taona ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombona antoka ireto. « Ilaina tanteraka ny fisian’izao fiaraha-miasa izao manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ireo faritra ireo, ary indrindra ny hampidirana sy ny hitazomana ny mpianatra eny an-tsekoly », hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle nandritra ny lahateniny. Nohamafisin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina izany nandritra ny lahateniny fa « ny fanabeazana dia anisan’ny fitaovana ahafahana mandroso sy mampivoatra ny firenena iray ». Araka ny fanazavana, sekoly vaovao sy manarapenitra enina no hatsangana any amin’ny Faritra Androy sy Anosy. Etsy ankilany, ny OIT hanohana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanam-behivavy any an-toerana amin’ny asa fivelomany, ary hanampy amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy eny anivon’ny toeram-piasana.
Tsara marihana fa sehatra telo lehibe no hiompanan’ny tetikasa Avotse, izay tarihin’ny Fikambanana Fitia, dia ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fanabeazana, ary ny fahasalaman’ny ankizy. Mpiara-miombona antoka maro no namaly ny antso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Namarana ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa omaly ny avy amin’ny OMS, izay handray an-tanana ny fanaovam-baksiny, ny fanaraha-maso ny fitombon’ireo mpianatra, ary ny fizarana odin-kankana sy vitamine A. Mpianatra maherin’ny 5 500 amin’ireo sekoly 20 hiasan’ny tetikasa no hahazo tombontsoa. Tamin’ny ankapobeny, saika resy lahatra tamin’ny maha zava-dehibe ny tetikasa tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina avokoa ireo mpiara-miombona rehetra, noho ny fahaiza-mitarika sy ny finiavana ananany hitondra fanovana ho an’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo.




