PolitikaSongadim-baovao

TETIKASA « BASE TOLIARA »: « Fanoitra lehibe hampandrosoana an’Atsimo Andrefana », hoy ny Praiminisitra

Notanterahina tao Toliara ny fivoriana OMC nasionaly izay notarihin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian, notronin'ireo Minisitra miisa 11, mpikambana eo anivon'ny Governemanta. Zava-dehibe ny fivoriana natao omaly izay nahafahana nihaino sy nifampiresaka tamin'ireo sokajin'olona samihafa ara-drazana sy ara-panahy ary mpanao politika misy ao Toliara sy ny teknisiana avy amin'ny orinasa Base Toliara, araka ny angom-baovao.

Nigadona tao Toliara ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian nanomboka omaly maraina, notronin’ireo Minisitra miisa 11 mianadahy mpikambana eo anivon’ny Governemanta, mihaino sy mifampiresaka amin’ireo tomponandraikitra ifotony sivily sy miaramila, ireo Raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ireo mpiantsehatra sy teknisiana avy ao amin’ny « Base Toliara », ny solontenan’ny antoko politika mpanohana sy mpanohitra, ary ireo solontenam-pikambanana maro samihafa.

Nohamafisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny resaka indostria ary anisan’ny zavatra mampiavaka an’i Toliara dia fananana ny harena an-kibon’ny tany. Tafiditra indrindra ao anatin’izany lalan-tsaina izany ny fampandehanana indray ny tetikasa “Base Toliara”, izay fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ny Tanànan’i Toliara sy Distrikan’i Toliara-II, araka ny fanazavana.

Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny tomponandraikitra any an-toerana sy ireo raiamandreny samihafa na mpanao politika nefa tsy maintsy apetraka ny lamina mba hisian’ny fandraisana andraikitra ka ho tena lalana anakiray hahafahana mampandroso ny Faritra Atsimo Andrefana ity tetikasa Base Toliara ity, hoy hatrany ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer