Tonga nihaino sy niresaka tamin’ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa Base Toliara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Anisan’izany ny Kaominina Ankilimalinike, distrikan’i Toliara II. Naneho hevitra an-kalalahana ireo izay manohitra ny tetikasa ary nanambara an-kalalahana ny antony hanoherana izany. Nandritra ny fifampiresahana mivantana tamin’ny vahoaka, dia notsipihan’ny Filohan’ny Repoblika fa ny tombontsoan’ireo mponina no nimasoana. « Henoko ny feo sy antso izay nataonareo eto Ankilimalinike. Ary fantatro fa mangetaheta fiovana fandrosoana ianareo eto. Misy fotoana ny zava-drehetra. Tonga aho, tsy tonga fotsiny, fa hitafa sy hidina, fa indrindra hitondra soa ho an’ny Atsimo iray manontolo, fa indrindra hitondra soa ho an’ny eto Ankilimalinike », hoy ny Filoha Rajoelina teo am-piandohan’ny fandraisam-pitenenany. Notsindriany fa mitovy hevitra amin’ny vahoaka izy hoe “tsy ekena intsony, hoe hisy fitrandrahana lehibe, atao eto amin’ny firenena, ka tsy hitondra soa ho an’ny vahoaka, sy hitondra fampandrosoana ho firenena”. Izay indrindra no nahatonga ny Filoha Rajoelina nandray an-tanana ny fifandresen-dahatra amin’ny orinasa amerikanina, izay nandray an-tanana ny Base Toliara.
4 tapitrisa dolara hanaovana asa sosialy…
Notsipihin’ny Filoham-pirenena fa ny tombontsoan’ireo mponina ao amin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa sy ny vahoaka malagasy no nimasoana. Izay no nandraisana fanapahan-kevitra ny taona 2019 hoe ho ahantona aloha ny tetikasa, raha efa hatramin’ny taona 2006 izany no nanomboka. Hatramin’ny nanomezana indray ny fahazon-dalana, ny volana novambra 2024, dia henjana ny fifampiraharahana tamin’ireo amerikanina, izay nandray indray ny tetikasa. Naharitra 6 taona izany fifampiresahana izany, mba hijerena izay tena mahasoa ny vahoaka, sy ny hoe mifanaraka amin’ny fenitry ny fanajana ny tontolo iainana ve izany.
“Matokia ianareo ahy, fa raha nisy fifampiresahana tahaka ny natao tamin’io, tamin’ireo fitrandrahana natao teto, dia tsy nila mpamatsy vola intsony isika”, raha ny nambaran’ny Filoha Rajoelina. Ho an’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa, dia volabe 4 tapitrisa dolara na 18 miliara ariary isan-taona no anaovana tetikasa sosialy. Hetra 180 tapitrisa dolara isan-taona ihany koa ny ho aloan’ny Base Toliara, ary ho atao lalàna, izay hofidin’ny Parlemanta izany, fa tsy ho atao fifanarahana fotsiny.
Hiaraka hiroso…
Nifanaraka, araka izany, ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mponina ao Ankilimalinike fa hiaraka hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara sy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nanambara moa ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola hiverina hifampiresaka amin’ny mponina ao amin’ireo kaominina hafa voakasiky ny tetikasa. Nomarihan’ny Filoha koa fa “ny antony ahatongavako ety dia izao : hifamelona isika fa tsy hifamono, hifanasoa isika fa tsy hifanaratsy. Ary izay no ahatongavako aty, satria izaho dia ampitambatra fa tsy ampisaraka ny Malagasy. Hifanampy isika fa tsy hifamingana. Misy tetikasa lehibe, ny Base Toliara, izay matetika mampizarazara antsika. Tsy isika no ampizarana fa misy hevitr’olona izay voizina ampisaraka antsika. Ary izay no ahatongavako aty.
Nomena fitenenana avokoa ireo izay manohitra ny tetikasa. Isan’izany ny solontenan’ny raiamandreny, izay nisaotra ny Filoha satria efa tafavoaka avokoa ireo izay voasambotra tamin’ireo fihetsiketsehana. Nandray fitenenana koa ny solontenan’ny fikambanana “Mazoto”. Nisaotra ny Filoha Rajoelina izy noho izao fitsidihany an’Ankilimalinike izao, sy ny fifampiresahana mivantana amin’ny mponina. Nomarihiny fa ny tsy fahampian’ny fanazavana izay nahabe ahiahy no antony nanoheran’izy ireo ny tetikasa. Satria tonga nanome fanazavana ny Filoha, dia nanaiky izy, fa izay lalana omban’ny Filoha, dia omban’izy ireo. Izy rahateo no nofidian’izy ireo sy nomen’izy ireo fitokisana hitondra ny firenena.
Rado Harivelo




