Songadim-baovaoToekarena
TETIKASA BASE TOLIARA: Tsy misy fitrandrahana ao anatin’ny faritra arovana Ranobe PK 32
Taorian’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany dia nanamafy fanazavana mahakasika ny tetikasa “Base Toliara” sy ny resaka voizina momba ireo Baobabs ihany koa ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine omaly. Nambarany fa tsy ny fitrandrahana no fahavalon’ny tontolo iainana fa ny fahantrana. Lazaina fa fahavalon’ny tontolo iainana ny fahantrana satria noho ny filàn’ireo vahoaka eny ifotony dia voasarika amin’ny fitrandrahana ny ala sy ny faritra arovana izy ireo. Mahakasika ny faritra arovana Ranobe PK 32 manokana, izay voatonona matetika avy amin’ireo mpanohitra ny tetikasa Base Toliara, dia tsapa fa mitontongana ny fahasalaman’io faritra io. Raha toa ka mbola miloko maitso ny sarin-tany navoakan’io toerana io tamin’ny taona 1984 dia efa lasa maitso tanora na mavo mihitsy aza izany ankehitriny. “Midika izany fa tsy ny fitrandrahana no manimba ny tontolo iainana maneran-tany sy eto Madagasikara fa ny filàn’ny vahoaka”, hoy ny Minisitra.
Teboka maromaro moa no notsipihan’Atoa Max Andonirina Fontaine nandritra io fanazavana nentiny omaly io. Notsindriany voalohany tamin’izany ny hoe tsy any amin’ny toerana misy ny fitrandrahana hataon’ny tetikasa Base Toliara no misy ny sarina Baobabs maro haparitaka eny amin’ny Fesiboky ankehitriny. Mandiso ny vaovao tsy marina haparitaka mahakasika ireo Baobabs ireo ihany koa ny tenany. Nohamafisiny fa tsy hisy hovoakitika na hosimbaina ireo Baobabs tafiditra ao anatin’ny faritra arovana Ranobe PK 32, tsy hisy fitrandrahana fasi-mainty hatao ao amin’izany toerana izany. Mbola manampy izany ny hoe any amin’ny toerana lavitra ny fitrandrahana no misy io faritra arovana io. Manaporofo izany ny sarin-tany izay maneho fa tsy mifanandrify mihitsy ny toerana misy fitrandrahana sy ny faritra arovana. Marihana ihany koa fa kirihitra ala sy bozaka no mandrafitra ny 95%-n’ny toerana hitrandrahan’ny tetikasa. Ahitana Baobab vitsy eny an-toerana saingy tsy tafiditra ao anatin’ny velaran’ny faritra arovana izany.
Fitakiana fanonerana mifanaraka amin’ny zava-misy
“Tsy misy tetikasa fitrandrahana maneran-tany izay tsy manana fiantraikany ara-tontolo iainana… Fa ny tena tokony hojerena dia fomba hanaovana fanonerana sy ny mba hampihenana amin’ny faran’izay ambany ny voka-dratsin’ny fiantraikan’ny fitrandrahana”, hoy ny Minisitra. Mahakasika ireo Baobabs ivelan’ny faritra arovana izay mety ho voakitiky ny tetikasa, araka izany, dia tsy azo tsinontsinoavina izy ireo. Manana ny lanjany ara-tontolo iainana, ara-kolontsaina sy ara-toekarena eto Madagasikara mantsy io zavamaniry io. Noho izany dia nofaritana ambony dia ambony ny fanonerana mifandraika amin’izy ireo. Izany dia atao amin’ny alalan’ny fambolen-kazo sy fanarenana ny ala. Tanjona hapetraka ny tsy hisian’ny fahaverezana ara-ekolojika. Izany hoe raha misy ny fahasimbana hita amin’ny toerana iray dia honerana amin’ny fanajariana toerana iray hafa izany. Mbola fanonerana ara-tontolo iainana takiana amin’ny tetikasa ihany koa ny fanampiana amin’ny fiarovana ireo faritra arovana manodidina, indrindra ny ao amin’io Ranobe PK 32 io. Efa nampiseho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana izany ny Base Toliara.
Ankoatra ireo, misy ihany koa ny fanonerana ara-tsosialy sy ara-toekarena izay takiana amin’ny tetikasa Base Toliara. Ohatra amin’izany ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina eny ifotony. Misy ny hetsika maro samihafa azo tanterahana ao anatin’izany. Anisan’ireo ny fiompiana tantely, fananganana sehatr’asa mampividi-bola ny vahoaka eny ifotony, ary ny fampiroboroboana ny fizahantany manaja ny tontolo iainana. “Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny tombana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy izay takiana amin’ny tetikasa Base Toliara, mba hanarahana ny lalàna sy hampifandanjana ny ara-tontolo iainana, ny ara-toekarena, ny ara-tsosialy sy sehatra maro hafa”, hoy hatrany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
S.S




