Songadim-baovaoToekarena
TETIKASA FIHARIANA 2020: 78 578 ireo asa niforona, maherin’ny 7 500 ireo mpisitraka
Tetikasa iray goavana nataon’ny Filohan’ny Repoblika hifandrimbona amin’ny fanatanterahana ireo Velirano 13 napetrany ny tetikasa Fihariana. Miroso tanteraka ny fanatanterahana izany vina izany ankehitriny satria ho an’ny taona 2020 fotsiny, tafiakatra 78 578 ireo asa niforona, ary naherin’ny 7500 ireo olona nisitraka ny tetikasa, na teo aza ny fisian’ny valanaretina Covid-19.
Nitentina 85 681 245 320 Ariary ny fitambaran’ny vola nampiasaina ho an’ny tetikasa Fihariana ho an’ny taona 2020, araka n fanazavan’ny Sekretera mpanatanteraky ny Tetikasa ny Fihariana, Valérie Zafindravaka. Olona hatramin’ny 7 550 no nisitraka ny tetikasa tamin’izany. Nanambara ny avy eo anivon’ny fandrindrana ny tetikasa Fihariana fa betsaka ireo asa niforona ny taona 2020 na dia teo asa ireo fahasahiranana maro nateraky ny valanaretina Covid-19. Teo anatrehan’izany, tafiakatra 78 578 ny asa vaovao niforona tamin’iny taon-dasa iny. Ny 7 065 tamin’ireo dia asa nivantana avokoa, raha toa ka asa niforona vokatry ny fisian’ny tetikasa kosa ny 71 513 ambiny. Ny sehatry ny fambolena no tena betsaka niforona, satria betsaka ireo olona very asa tanatina orinasa no niverina nankany ambanivohitra, ary nisehatra indray tao amin’ny tontolon’ny fambolena”, hoy ny fanazavan’i Valérie Zafindravaka. Ity farany izay nanipika mazava tsara fa ny 57,93%-n’ny tohana nataon’ny tetikasa Fihariana ny taona 2020 dia saika tao amin’ny tontolon’ny Fambolena avokoa. Ny sehatry ny fiompiana kosa no nanaraka tamin’ny taha 24,79%. Na izany aza anefa, saika voakasiky ny tetikasa daholo ireo seha-pihariana rehetra misy eto amintsika, toy ny Jono, ny Fizahantany, ny Informatika, ny Fampianarana, ny taozavatra, ny fiompiana trondro, sy ny sisa.
Hitohy avokoa ireo fandaharanasa
Nomarihin’ny avy eo anivon’ny Tetikasa Fihariana fa ny Faritra Melaky no Faritra tsy niasan’ny Tetikasa indrindra noho ity faritra ity saro-dalana sy manahirana indrindra, hany ka vitsy ireo olona mandraharaha sy manangana orinasa any an-toerana. Izany hoe, ny 0,05%-n’ny tetikasa fihariana 2020 ihany no natao tany an-toerana. Amin’ity taona 2021 ity noho izany, vina ny hanamafisana ny fanohanana ireo tanora mpandraharaha any an-toerana. Ankoatra izay, fantatra fa mbola hitohy avokoa ireo fandaharanasa rehetra eo anivon’ny tetikasa. Isan’izany ny fandaharanasa Miarina izay natao indrindra hanohanana ireo orinasa mijoro ara-dalàna saingy nizaka ny voka-dratsy nateraky ny valanaretina Covid-19 ny taona lasa iny. Eo koa ny tetikasa “Titre Vert” izay miompana amin’ny fanomezana tany ho an’ny tanora misehatra amin’ny tontolon’ny fambelona sy ny fiompiana, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra no misy ny tetikasa hatreto. Mbola handeha amin’ity taona ity ihany koa ny fandaharanasa “Zara iombonana” izay hanamafy ny fahafaha-mamokatry ny koperativa. Etsy ankilany, fandaharanasa “Soa tantely” ihany koa dia mbola hizotra araka ny tokony ho izy amin’ity taona 2021 ity. Raha tsiahivina, tao Manakara no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fandaharanasa ity tamin’ny faraparan’ny taona iny. Tsy latsa-danja amin’ireo rehetra ireo koa anefa ny fandaharanasa FANORO izay manana tanjona ny hanatsara ny seha-pihariana Ronono amin’ny alalan’ny fikarakarana manokana ireo Ombivavy Be ronono. Hisy fiofanana atao amin’ireo tanora mpandraharaha amin’izany, ary ao anatin’ny telo taona dia tokony hisongadina ny fihatsarana. Marihana fa mbola mitohy ihany koa ny fandaharanasa “Vokabary” izay hanampiana ireo tantsaha mpamokatra amin’ny fanatsarana ny voka-bary.
Hitohy ny fandraisana antontan-taratasy vaovao amin’ity taona ity, raha ny fanazavana, ankoatra ny fanaovana fanarahana sy tombana ireo efa nahazo famatsiam-bola tamin’ny taon-dasa.




