Songadim-baovaoSosialy

TETIKASA FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Efa misy ny vahaolana ho an’ireo mpivarotra manodidina ny 100 etsy amin’ny “Petite vitesse”

Nisy ny fihetsiketsehana nataona andiany mpivarotra maromaro tetsy amin’ny tsenan’ny “Petite Vitesse” omaly maraina, izay manohitra ny fametrahana ny Gara amin’ny tetikasa teleferika eny an-toerana. Araka ny lamina mantsy dia tsy maintsy afindra toerana ireo mpivarotra ireo amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy niandry ela fa omaly tolakandro ihany dia noraisin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, ireo mpivarotra voakasiky ny tetikasa. Naharitra ora roa teo ho eo ny fifanankalozana sy ny fifanazavan-kevitra teo amin’ireo mpivarotra sy ireo tomponandraiki-panjakana.

Araka ny fanazavan’ny SENVH, dia manodidina ny 50 eo ireo mpivarotra tena voakasika mivantana amin’ny toerana hanaovana ny tetikasa, saingy tafakatra 100 eo ho eo izy ireo noho ny fepetra ara-piarovana tsy maintsy raisina rehefa amina tetikasa goavana tahaka izao, mba hisorohana ny loza. Nazavaina tamin’ireo mpivarotra, araka izany, fa mialohan’ny hanesorana azy ireo eo amin’ny toerana ivarotany ankehitriny dia efa misy ny fanamboarana tsena vaovao manarapenitra, madio, voaaro sy mazava, izay hifindran’izy ireo. Eny amin’ny “Petite vitesse” ihany no anaovana an’io tsena vaovao io, ary efa mandeha ny asa fanamboarana amin’izao fotoana.

Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra kosa no mandrindra izay fifindran’ny mpivarotra izay amin’ny fotoana hifindrany. Nanome toky ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina fa mangarahara tanteraka ny fomba itsinjarana an’ireo tsena ireo, miainga amin’ireo mpivarotra rehetra tsy maintsy nesorina noho ny tetikasa teleferika. Napetraka tamin’ny fifandaminana eo amin’ireo mpivarotra sy ny delegen’ny tsena kosa ny fifandaminana momba izany.

Tohana ara-bola

Ankoatra izay, amin’ny maha toeram-pivarotana vaovao an’ilay tsena, dia tsy maintsy hisy ny famolahana indray ny mpanjifa hiditra ao an-toerana. Noho izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny SENVH, niresaka tamin’ny Minisitry ny Mponina ny amin’ny fahafaha-manome tohana an’ireo mpivarotra voakasika ireo. Tapaka, araka izany, fa hisitraka tohana ara-bola mitentina 120 000 Ariary isam-bolana mandritra ny 4 volana ireo mpivarotra voakasika ireo.

Amin’ny ankapobeny, efa manaiky ny rindran-damina napetraky ny Fanjakana avokoa ireo mpivarotra voakasika. Nahitsy omaly ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, raha nilaza fa, misy olona manararaotra minia manakorontana amin’ity raharaha ity, ary miezaka manely tsaho mba ampisavorovoro an’ireo mpivarotra, ka mila mailo.

Fermer