PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA « FLY OVER » ANOSIZATO: Mampitarazoka ny asa ny fepetra apetraky ny Mpamatsy vola
Anisan’ny fanontaniana napetraky ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, tamin’ny Minisitry ny Asa Vaventy nandritra ny fihaonan’ny Loholona sy ny Governemanta ny alatsinainy teo, ny mikasika ireo Lalampirenena mila fanamboarana sy ny tetikasa “Fly Over”, hatao etsy Anosizato. Omaly dia nitatitra ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Asa Vaventy ny tenany, tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Nambarany fa efa nisy ny tolo-bidy iraisam-pirenena izay natao tamin’ny 2023. “Satria nefa moa famatsiam-bolan’ny BADEA (Banky Arabo ho an’ny fampandrosoana) izy io, dia anisan’ny fepetra apetraky ny BADEA ny hoe tsy maintsy orinasa arabo no manao ny asa”, araka ny fanazavana. Tsy nisy nefa orinasa arabo namaly ny tolo-bidy dia tsy maintsy nambara ho tsy nahomby ( na infructueux) aloha ilay « appel d’offre ».
Taorian’izay dia tsy maintsy nangataka tamin’ny BADEA ny Fanjakana malagasy ny mba hahafahana manokatra amin’ny orinasa rehetra, na malagasy na vahiny na arabo fa tsy ferana intsony, ilay tolo-bidy iraisam-pirenena ny Volana Janoary 2024. “Noho ny antony tsy miankina amintsika fa miankina amin’ny mpamatsy vola dia volana desambra 2024 vao nivaly io fangatahana io”, hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany dia naverina indray ny « procédure d’appel d’offres », ka miandry ny valiny isika izao. Aorian’izay araka izany vao ho fantatra indray izay orinasa hahazo ilay tsenan’asa hanamboatra ilay « fly over ».

Mila hazavaina !
Notsindrian’ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrzafy fa ny fanazavana toy izany no tsy ampy tamin’ny vahoaka, ary nilaina notakiana tamin’ny tompon’andraikitra satria lasa ny Filoha Andry Rajoelina no voatora-bato hoe tsy hita akory ilay « fly over » nampantenaina. “Tsy adala hoy aho ny vahoaka rehefa omena fanazavana mangarahara, mazava sy mitombona fa azony izany. Lasa manimba ny Fitondram-panjakana ilay tsy fahalalana ny tena zava-misy, mila arovana hoy aho ny Filohan’ny Repoblika, maha-sarotiny raha ho ahy manokana ilay fiampangana azy ohatran’ny hoe mampanantena poakaty fa tsisy akory kay ilay tetikasa nolazaina fa « maquette » fotsiny. Nefa hay misy fanazavana marina azo omena tahaka izao”, araka ny fanehoan-keviny.
Araka izany, tsy maintsy handeha ny asa fanamboarana fa tsy niankina loatra tamin’ny Fanjakana malagasy ny nampitarazoka ny pitsopitsony (procédure).
Nangonin’i LR.




