Songadim-baovaoSosialy

TETIKASA « HARATON’AINA », 2019-2023 : 15%-n’ireo tokantrano marefo no kendrena hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy tena izy

Tsy azo ihodivirina ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, mba hanatsarana ny fahafahan’ny mponina misitraka izany. Miasa ao anatin’izany ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ankehitriny, indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny Iray volan’ny Fiahiana ara-tsosialy. Raha ny tanjon’ny paikady nasionaly, mihatra eto amintsika, ny 2019 ka hatramin’ny 2023, dia ny 15%-n’ireo tokantrano tena marefo no hisitraka fiahiana ara-tsosialy tena izy.

25 taona i Rwanda vao nahavita nametraka fiahiana ara-tsosialy tena izy. Midika izany fa mitaky fotoana ny fametrahana azy io. “Fanambin’ny Minisiteran’ny Mponina ankehitriny ny mba hisitrahan’ny 15%-n’ireo tokantrano marefo ny fiahiana ara-tsosialy tena izy, hatramin’ny 2023”, araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Ghisbert. Tsy vita 5 taona na 6 taona ny fametrahana ny fiahiana ara-tsosialy. Tsy mbola tara anefa isika raha izao no mamolavola ny paikady nasionaly hita ho mahomby kokoa. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tsy anjara asan’ny Minisiteran’ny Mponina irery ny raharahan’ny fiahiana ara-tsosialy fa ilàna ireo mpiara-miombona antoka, mba ampitombo ny tetibolan’ny Minisiteran’ny mponina hahafahana mandrakotra an’i Madagasikara amin’ny fampisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy.

Afapo ny 69%-n’ireo mpisitraka

Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy hatrany, miisa 419 319 hatreto no nisitraka ny “Haraton’aina”. 52  250 tamin’ireo dia nanao asa atakalo vola. Ny 360 000 kosa dia  nahazo tohana ara-bola sy fampiofanana. Hatreto dia Faritra miisa 14 no misitraka ny tetikasa “Haraton’aina”. Tao anatin’ireo asa natao rehetra dia nahatratra 69% no naneho ny fahafaham-po fa nanavotra azy ny “Haraton’aina”. Ny 27% dia afaka nanatsara ny fiainana andavandro. Ny 42% kosa dia afaka mitazona ny fiainana talohan’ny nisian’ny valanaretina Covid-19  raha toa ka ny 30%-n’ny mpisitraka dia afaka nanatona tobim-pahasalamana, 73,78% afaka nitsabo tena, ary ny 50%-n’ireo mpisitraka dia afaka nisakafo ara-pahasalamana.

Ny atao hoe Fiahiana ara-tsosialy…

Fitambarana tetikasa maromaro entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo tokantrano marefo ny fiahiana ara-tsosialy, raha lazaina amin’ny fomba tsotra. Amin’ny ankapobeny dia mizara telo ny endrika isehoan’ny Fiahiana ara-tsosialy: ny latsak’emboka ( toy ny Cnaps, Ostie, …), tsy misy latsak’emboka (régime non contributif), ary ny fiahiana ara-tsosialy hiatrehana ny loza. Ity farany izay hiaraha-manatanteraka amin’ny BNGRC. Ho antsika eto Madagasikara manokana, ny taona 2015 no nisy ny politika nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy voalohany. Nanomboka tamin’izany koa no nahazo Minisitera ny Fiahiana ara-tsosialy. Taty amin’ny taona 2018 no nisy indray ny famolavolana ny paikady nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy, izay tetikasa hotanterahana ao anatin’ny dimy taona, ka nanomboka ny 2019 ny fanatanterahana azy, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 2023.

Araka ny fanazavan’ny Talen’ny Kabinetra Yan Wilfried Ramananirina, isan’ny fomba fiasa vaovao napetraky ny ekipan’ny Minisitera ankehitriny, izay tarihin’ny Minisitra Soafilira Princia, ny fametrahana paika mampahomby ny fampisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy. Nisy, noho izany, ny famondronana ireo vehivavy manerana ny Nosy, izay tokony hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny “Vehivavy miavotra”. Ho an’ny lehibe dia misy ny “Lehilahy mandray andraikitra”, ary farany dia ireo zokiolona, nampidirina ao anatin’ny “olo-kendry”.

Notsindrian’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Patricia fa betsaka ny tetikasa mandeha fa ny “Haraton’aina” no tena lehibe. Mametraka ny rejistr’ireo mpisitraka ny Minisitera. Hahafahana manara-maso sy mandrefy ny fivoaran’ny fiainan’ny mpisitraka. Hahazoana tarehimarika ihany koa io fomba fiasa io. Efa manokana tetibola ny Fitondram-panjakana hanampiana ireo ataon’ny mpiara-miombona antoka, araka ny fanazavana hatrany. Marihina fa ireo marefo ihany no misitraka ny fanampiana, ary efa misy ny sehatra hahafahana mitoroka raha misy ny olana, hoy hatrany ny fanazavana.

Vehivavy no 88%-n’ireo mpisitraka

Araka ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, Rabetaliana Rova, dia vehivavy avokoa ny 88%-n’ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Tsy tokony hatao hahagaga anefa izany tarehimarika izany, raha ny nambarany, satria vehivavy avokoa no mandrafitra ny 50% maherin’ny Malagasy. Etsy ankilany, dia tena marefo ny vehivavy raha mitaha amin’ny lehilahy. Sarotra, noho izany, no tsy hiresaka vehivavy rehefa miresaka fiahiana ara-tsosialy isika.

Fermer