PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA « LAC IARIVO »: « Nahitana taratra ny fananan’ny Filoha vina ho an’ny firenena »
Niaiky ny Filohan’ny Fikambanana Isika Mpandresy, Ramatoa Rija Ethel, fa miroso mankany amin’ny fandrosoana sy ny fivoarana tanteraka i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Mbola manaporofo indray ny fananan’ny Filoha vina goavana sy lehibe, hoy izy, ny tetikasa Lac Iarivo izay atao eny Ivato, ary maneho ny fitiavany lalina ny tanindrazany.
Tsara tsiahivina fa ahitana tolotra maro eny amin’ity Lac Iarivo ity, toy ny toeram-pitsangatsanganana, toeram-pialamboly, fijerena horonantsary, tsena goavana iraisampirenana toa an’i Mc Donald’s sy KFC. Marihina fa hisy koa ny « Jet d’eau » mirefy hatrany amin’ny 250 metatra, zaridaina, hazo maniry isan-karazany. Ankoatra ireo ny fisian’ny « bus électriques », ny hotely kintana 5, ary ny Palais du Futur et de l’innovation izay iarahamiasa amin’ny Huawei, araka ny efa nolazain’ny Filoha Andry Rajoelina.
« Tontolo vaovao sy moderna mihitsy no hisy eny an-toerana, izay ho an’ny olom-pirenena malagasy rehetra », hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny Fikambanana Isika Mpandresy, Ramatoa Rija Ethel. Notsindriany fa ho ivon’ireo karazana fety aman-danonana isan-karazany ny eny amin’ny Lac Iarivo, raha tsy ilaza afatsy fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena malagasy, sy ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc amin’ny volana Aogositra. Nahitana taratra ny fananan’ny Filoha vina mazava hampivoarana ny firenena ny tetikasa Lac Iarivo. « Mandroso i Madagasikara, mamiratra Antananarivo, porofon’izany ny tetikasa Lac Iarivo », hoy hatrany Ramatoa Rija Ethel.
Tao anatin’ny fanehoan-keviny omaly koa no nanamafisan’ny Filohan’ny Fikambanana Isika Mpandresy fa tokony handray ny andraikiny feno ireo olona notendren’ny Filohan’ny Repoblika hanatanterahaka ny vina, ary mila manohana akaiky ny Filoha amin’ny asa rehetra atao.




