PolitikaSongadim-baovao

TETIKASA « LAC IARIVO » SY « VILLAGE ARTISANAL » : Ho vita mialohan’ny Aogositra, handraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC

Ho fanomeza-danja ny asa tanana malagasy sy ireo mpisehatra ao anatin’izany no nananganana ny « Village artisanal » sy hy tetikasa « Lac Iarivo » eny Ivato. ho toerana tsy azo ihodivirana ho an’ireo rehetra mitsidika an’i Madagasikara, sy Antananarivo ity “Village touristique” ity. Nambaran’ny Filoha omaly, fa ho vita mialohan’ny volana Aogositra, ny tetikasa, izay andraisana ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta an’ny SADC…

“Tetikasa sy fanamby nodinihako lalina ity « Village artisanal » ity”, hoy ny Filoha Rajoelina, omaly. Miorina amina velaran-tany 2 ha ity tetikasa ity, ahitana Box 240. Ankoatra ireo toeram-pivarotana ny asa tanana vita malagasy, hisy toeram-pisakafoana, sy toerana fampirantiana sy fanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao asa tanana koa. Ho azo antoka ny fandriam-pahalemana. Hahazaka fiara 130 ny toeram-piantsonana. Ireo endriky ny trano nentim-paharazana eto Iarivo no nalaina ohatra amin’ireo « Box » amboarina. Hisokatra hatramin’ny ora farany isian’ny sidina iraisam-pirenena ny toerana.

Antony telo no nananganana ity tetikasa ity, raha ny fanazavan’ny Filoha. Voalohany, ho fanomezan-danja ny asa tanana malagasy sy ireo mpisehatra anatin’izany, izay mahatratra 3 tapitrisa, ary mampiditra 20 tapitrisa dolara isan-taona. Ny tanjona, dia ny hiakaran’izany ho 50 tapitrisa dolara, na 100 tapitrisa mihitsy aza. Ny antony faharoa, nosafidiana hoe eny Ivato no ametrahana azy, amin’ny maha varavarana fidirana sy fivoahana an’i Madagasikara azy. Ny antony fahatelo, mba ho toerana tsy azo ihodivirana ho an’ireo rehetra mitsidika an’i Madagasikara, sy Antananarivo ity “Village touristique” ity. Ho vita mialohan’ny volana Aogositra, izay andraisana ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta an’ny SADC ity tetikasa ity. “Minoa ahy ianareo fa tetikasa goavana sy hanova ny endrik’i Madagasikara no ataontsika”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mifanaraka amin’izany vina izany indrindra ny tetikasa « Lac Iarivo ». Mahatratra 11 km ny moron-dranon’ny « Lac Iarivo » sy ny moron’ny « Rocade Tsarasaotra » hanorenana ity tetikasa ity, izay mizara ho 13, ka isan’izany ny hotely lehibe kintana dimy, toerana ho an’ny daholobe, toerana hakana saina, sary, toeram-pitsangantsanganana sy ny maro hafa…

Manome endrika ny lalana…

Ho asiana “jet d’eau” lehibe koa eo amin’ny Lac Iarivo. Tsy ho latsa-danja amin’ilay “Jet d’eau” mampalaza an’i Dubai izany, hoy ny Filoha. “ Tsy voatery handeha any ivelany isika fa ety dia azo hanaovana zavatra maro sy isitrahana zavatra tsara. Ny tanjona voalohany dia afa-mirehareha fa Malagasy, manana toerana toy izao, Afa-mirehareha ny Malagasy hoe manana an’ny « Lac Iarivo », manana filoha manana vina, mahay mpitarika sy manorina”, hoy izy.  Notsindriany fa “tsy hiandrasana aman-taonany fa alohan’ny volana aogositra dia ho vitaina izany. Notsindrian’ny Filoha fa natao ho any saranga rehetra, tsy anavahana na iza na iza ity tetikasa goavana ity. Tsikaritra mantsy fa vitsy ny “espace public” ho an’ny mponin’Antananarivo, ary koa tsy misy ny toerana mba ahafahana mitsangantsangana.

Vina fampivoarana an’i Madagasikara…

Hanova tanteraka ny endrik’Ivato izay varavarana fidirana eto Madagasikara, sy Antananarivo izay renivohitr’i Madagasikara ny tetikasa Lac Iarivo izay ahita koa ny « Village touristique ». Tetikasa izay ho fitaratry ny vina fampivoarana an’i Madagasikara sy ny renivohitra  koa. Ireto tetikasa ireo, izay ny Filoha Andry Rajoelina no vy nahitana sy angady nananana. Eo ihany ny maha tetikasan’ny Filoha azy ireo, fa niara-niasa akaiky tamin’ireo teknisianina, amin’ny fandrafetana ireo tetikasa ireo koa izy.

Mifameno amin’ny tetikasa « Lac Iarivo » moa ny fanamboarana ny « Village artisanal ». Araka ny anarany dia manamorona ny Lac Iarivo eny Ivato ity tetikasa goavana ity. Tonga nanamarika tamin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana ny « Village artisanal », moa ny Filoha Andry Rajoelina omaly maraina. Izany asa izany izay efa maherin’ny roa volana no nandeha, ary efa mijoro avokoa ny rindrin’ireo Box 240 handrafitra izany.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer