PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA LOHARANO II : Hanainga hanao tetikasa eny ifotony ireo Tanora diaspora 17
Nitovizan’ireo tanora malagasy diaspora avy any ivelany tonga eto Madagasikara ao anatin’ny tetikasa Loharano II ny faniriana te hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tany niavian’izy ireo, dia i Madagasikara. Miisa 17 izy ireo no handray anjara amin’izany amin’ity andiany 2025 ity. Efa eto an-tanindrazana ny 13 tamin’izy ireo izay naseho tetsy Analakely omaly. Ny efatra ambiny kosa mbola ho avy. Araka ny fanazavana dia misy amin’izy ireo no avy any Etazonia, Frantsa, Djibouti, Sénégal. Ary haharitra efa-bolana ny faharetan’ny itoeran’izy ireo eto an-tanindrazana.
Samy hanana ny toerana sy ny tetikasa hirotsahan’izy ireo an-tsehatra avy kosa izy 17 mianadahy ireo. Hisy ny hirotsaka an-tsehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ao ireo hanome tan-tsoroka amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eny ifotony, fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, tan-tsoroka amin’ireo fandraharahana eny ifotony, ary fizarana traikefa amin’ny teknikam-pambolena maoderina.
Tsara ho fantatra fa miara-manatanteraka ny tetikasa Loharano II ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny “Organisation internationale pour les Migrations (OIM)”. « Ireo tanora ireo no tetezana mampifandray an’i Madagasikara sy izao tontolo izao », araka ny nambaran’ny Lehiben’ny Iraky ny OIM eto Madagasikara sy Kaomoro, Roger Charles Evina. Ny AFD kosa no mamatsy vola ny tetikasa, miaraka amin’ny Expertise France (EF) sy ny Institut de Recherche pour le développement (IRD). Ny fandaharanasa « Loharano II » ihany koa dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora na TADY, izay fanatanterahana ny « Lettre de Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora Malgache (LPNED).




