PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TETIKASA MIAMI: Ho vitaina mialohan’ny farany taona 2021 ny dingana faharoa
Nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitsidihina an’i Toamasina omaly, ny fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny Tetikasa « MIAMI », Velirano nataony tao Toamasina. Tsiahivina fa natomboka tamin’ny volana novambra 2020 ny fanajariana ka isany izany ny fanakisahana ireo mpivarotra 320 tany amin’ny faritra avaratra hanaovana tetikasa. Hirosoana manomboka izao ny dingana faharoa amin’ny asa fanamboarana raha toa ka efa hita mijoro avokoa ny fotodrafitrasa mamaritra ny dingana voalohany amin’ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajariana ny sisindranomasina mirefy 600 metatra manomboka amin’ny Hopitaly be hatrany amin’ny Neptune. Natsangana ihany koa ny « digue de protection » amin’ny sisindranomasina hiarovana ny fotodrafitrasa sy hanampy amin’ny fanomezana endrika ny tanana. Dingana faharoa kosa ny fametrahana ireo fotodrafitrasa eo ambony sy ny fanamaitsoana ny toerana.
Hiova endrika tanteraka
Ankoatry ny maha toerana hisarihana mpizahantany ny tetikasa MIAMI, hafantoka amin’io faritra io ihany koa ny fampihodinana ara-toekarena mampalaza an’i Toamasina, araka ny nambaran’ny Filoha. Isany izany ny fametrahana ireo toeram-pisakafoana malaza toy ny soupe tamatave, ny toerana fihinanana huîtres, ny fisotroana jus de coco sy ny maro hafa. Hiova endrika hatrany isan’ambaratongany ny sisindranomasin’i Toamasina. Ka hisy ihany koa ny faritra natokana ho an’ny ankizy, ny espace badamier- hazo mampalaza an’i Toamasina, ny toerana fanaovana fanatanjahantena ( Skate park, ny fanaovana Beach volley, beach soccer, musculation) sy ny toerana fialamboly. Hohajariana ny torampasika mba ho azo hitsangatsanganana. Hisy ihany koa ny toerana fanaovana fampisehoana miavaka sy goavana manoloana ny Lapan’ny Tanana. Raha ny tombatombana dia ho vitaina mialohan’ny farany taona 2021 ny dingana faharoa amin’ny tetikasa. Dingana fahatelo kosa ny fametrahana ny kianja synthétique, ny jet d’eau sy ny kiosque samihafa. Hiova tanteraka araka izany i Toamasina, hitombo ny fidiram-bolan’ny mponina ary handroso i Toamasina amin’ny alalan’ny tetikasa Miami, hoy hatrany ny fanazavana.



